♦ Miseho lany ny olana amin'ny olona ho atolotry ny antoko pôlitika sy ny vovonana pôlitika ho kandidà ben'ny tanàna, indrindra ny amin'ny renivohi-paritany... ♦ Mbola mahaliana ny Malagasy tanora ny fandalinana ny hay pôlitika na eo aza ny zava-misy ara-pôlitika misy ankehitriny... ♦ Volana eran-tany momba ny "Alzheimer" ny volana septambra. Maro ireo hetsika karakarain'ny fikambanana Madagascar Alzheimer Masoandro Mody... ♦ Mahazo vahana ny herisetra sy fanenjehana ny finoana katôlika any Nouvelle-Calédonie. Miisa 6 ireo Eglizy nisy nandoro any an-toerana, tato anatin'ny 2 volana...
Ny "Rasavôlana" dia lahabolana fanaon'ny faritra afovoany atsinanana sy ny atsinanan'ny nosy, izany hoe mampiavaka an'ireo Sihanaka, Bezanozano, Betsimisaraka. Ny voambolana "Rasavôlana" dia avy amin'ny teny roa "Rasa" + "Vôlana", izay midika ho fizarana fitenenana. Resaka hifanaovana, hifamalin-dresaka, fampahafantarana izay natao na izay vao hatao no antony hanaovana ny "Rasavôlana", fanao amin'ny fanolorana zavatra, fitsofan-drano, fandraisana vahiny, fanatanterahana fomba. Ny "Rasavôlana" dia matetika lehilahy no tena manao azy...
♦ Nampiakatra ny raharaha eny anivon'ny CENI manoloana ny fandavan'ny OVEC ny antotan-taratasiny ho kandidà ben'ny tanàna Andriamatoa Ravalomanana Marc. Manana roa andro hamaliana izany ny CENI... ♦ Mbola banga tsy misy kandidà ireo kaominina miisa 12 amin'ireo kaominina 16 mandrafitra ny Distrika Antananarivo-Avaradrano... ♦ Hanomboka androany ary haharitra 4 andro ny hay ranty karakarain'ny sekoly ambony momba ny hay fambolena sy fiompiana... ♦ Any Rosia, nanome baiko mba hampitombona isa ireo tafika ny filoha Vladmir Poutine...
Izay mivavaka dia tsy mandao an'izao tontolo izao. Raha tsy manangona ny fifaliana sy ny fanaintainana ny vavaka, ny fanantenana sy ny ahiahin’ny zanak’olombelona, dia lasa hetsika sy haingo izany, teatra, fampisongadinana ny tena fotsiny. Isika rehetra dia mila ny mihay ny atin'ny fontsika: mitady toerana, manokana fotoana ho an'ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra; tsy midika hoe mandositra ny zava-misy izany. Katesizy momba ny vavaka fanelanelanana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco