Masina Maria dia famantarana manambara fanantenana azo antoka ary fanalana alahelo ny vahoaka an'Andriamanitra mivahiny ety an-tany. Ary amin'izany ny Renin'i Jesoa dia efa henimboninahitra vatana sy fanahy any an-danitra ka santatry ny Fiangonana sy ny endriny araka ny ho toetrany any amin'ny taona ho avy, dia famantarana mamirapiratra manambara fanantenana azo antoka... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

• Tsy anisan'ireo nampidirina am-ponja noho ny raharaha Boeing 777, ny Minisitry ny Fitaterana teo aloha, noho ny fananany sata maha mpitondra ambony. Tsy ny lalana no ratsy, fa miankina amin'ireo Parlemantera no hanenjehana azy, hoy ny mpahay lalana Toavina Ralambomahay... • Mitaky ny hisian'ny mangarahara amin'ny fanamboarana ny lalambe migodana ireo Solombavam-bahoaka mpanohitra. Tsy mahafeno ny fepetra maha autoroute azy ilay 8 km vita, hoy ny Depiote Todisoa Andriamampandry... • Andrasan'ny Malagasy maro ny lalao ankatoky ny famaranana ny CHAN 2025, izay hatrehan'ny Barea rahampitso. Lalao hanovana fiainana io, hoy ny kapiten'ny Barea teo aloha, Faneva Ima androany, raha nandrisika ireo mpilalao...

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

♦ Lesoka amin'ny tontolo pôlitika Malagasy ny tsy fahampian'ny fanabeazana ireo mpikambana ao aminy hoy ny Antoko Isika Mpandresy... ♦ Ravan'ny sampan-draharaha misahana ny fanadihadiana manokana sy miady amin'ny hosoka ny tambazotra iray mpandefa mpiasa any ivelany amin'ny fampiasana taratasy hosoka... ♦ Handeha mivantana amin'ny TVM ny lalao hifanandrinan'i Barea sy ny ekipan'i Soudan amin'ny lalao manasa-dalan'ny CHAN tanterahana rahampitso talata 26 aogositra ... ♦ Olona maherin'ny 300.000 no tsy maintsy hafindra toerana, hentanina hiala amin'ny toeram-ponenany hisorohana ny loza mety hitranga mandritra ny fandalovan'ilay Typhon Kajiki ...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...