♦ Marary ny firenena. Miandry asa mivaingana ny rehetra manoloana izany. Isan'ny nivoitra tamin'ny hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny RARINY sy ny FIADANANA, manoloana ny fanamarihana ny iray volan'ny fihariana nanomboka androany... ♦ Nidina indray ny vidin'ny lasantsy sy ny gasoil eny amin'ny toby mpaninjara izany nanomboka androany voalohany volana septambra raha toa ka niakatra kosa ny solitany fandrehitra ; nihena 170 ariary/litatra ny gasoil... ♦ Hanomboka amin'ny alakamisy 4 septambra izao ny FIA hatao etsy amin'ny CCI Ivato. Mizotra an-tsakany sy an-davany ny fanomanana hoy ny tompon'andraikitra...
Hiompana manokana amin’ny fanatanjahantena indray ny Arofanina amin’izao alatsinainy voalohan’ny volana septambra izao. Mazava hoa azy, ny baolina kitra! Mendrika ny vokatra azon’ny Barean’i Madagasikara nandritra iny fiadiana ny tompon-dakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena tsy misy mpilalao mila ravinahitra any ivelany iny, na ny CHAN 2024. Tafita tany amin’ny dingan’ny lalao famaranana ny Malagasy.
♦ Tontosa tao amin'ny Diôsezin'i Morondava ny androm-pirenen'ny olon-dehibe andiany faharoa. Androm-pirenena nandritra ny telo andro nofaranana tamin'ny Sorona Masina fanirahana omaly. Afaka efa-taona indray ny andiany fahatelo... ♦ Noraisin'ny vahoaka Malagasy tamin'ny fitsenana makotroka omaly ny Barean'i Madagasikara avy niatrika ny CHAN tatsy Kenya. Laharana faharoa tompon-daka lefitra tamin'ity taona ity ny Malagasy... ♦ Mankalaza ny faha-10 taona nijoroana ny hetsika ROHY. Tamin'ny alalan'ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana teny amin'ny FJKM Ambatonakanga no nanombohana ny fankalazana...
Teny tokana Andriamanitra, Jesoa teny tokan'Andriamanitra, tsy misy toa azy ary tsy misy azo ampitahaina aminy, Masina sy lavorary. Tsy mitovy amin'ny fahalavorarian'Andriamanitra ny fahalavorarian'izay rehetra nohariany, eny fa na ny olombelona aza. Ny andro fahaenina no naharian'Andriamanitra ny olombelona, fa tamin'izany ihany koa no nahariany ny biby fiompy izay fanao sorona... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco