Hatramin’ny nisian’ny valan’aretina Coronavirus teto Madagasikara, fepetra maro no noraisina mba hiarovana ny fiparihany eto amin’ny firenena. .

Nandefa horonan-tsary, hafatra ho an'ny mpino ny papa François amin'izao fankalazana ny Herinandro masina izao. Manentana ny tsirairay ny Ray masina mba hahay hanararaotra izao vanim-potoana mihavaka izao. Mila ny "fahaiza-mamorona atosiky ny fitiavana" isika, hoy ny papa, mba handrosoana lavitra kokoa. Araho ny horon-tsary miaraka amin'ny dikan-teny malagasy.

♦ Tapitra anion ny 14 andro napetraka ihibohan'ny rehetra an-trano, ho fisorohana ny fihanaky ny Coronavirus. Tombanana ho mbola hitohy izany, manoloana ny zava-misy ankehitriny... ♦ Misy amin'ireo orinasa mbola miodina amin'izao no tsy mampiasa afa-tsy 10% mpiasa sisa... ♦ Manahy ny hisian'ny fipoahana ara-tsôsialy ny Vovonan'ny fiaraha-monim-pirenena na ny PFNOSCM Vofiraisana...

♦ Niakatra ho 70 indray ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara, araka ny tatitra omaly hariva... ♦ Nilaza ny Filoham-pirenena omaly hariva fa hahazo arovava na "cache-bouche" avokoa ny isan-tokantrano. 5 tapitrisa no kendrena hovokarina... ♦ Nanitsy ny nambaran'ny gazety an-tranokalam-pifandraisana iray omaly ny OMS...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...