Ny "cognition" dia ny fomba fiasan'ny atidoha, afahana manatanteraka ny asan'ny fitadidiana, fahafahana manavaka sy manapa-kevitra. Rehefa misy olana ny "cognition" dia mety tsy  hifantoka ny olona iray, olana amin'ny fomba fiteny izany hoe mikorontana ny fahafaha-miteny, olana amin'ny fanaovana asa iray, mikorontana ny fahitàna. Rehefa tsy tomombana ny fitadidiana dia maro ny olona lasa miankindoha amin'ny hafa mba hanampy azy amin'ny fiainana andavanandro... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Mampitombo ny vola miditra hoan’ny fianakaviana misehatra aminy ny fambolena voly maharitra toa ny voasary. Maro amin’ireo tantsaha ao amin’ny vovonam-pikambanana SOA MITAMBATRA faritra Amoron’i Mania no mifototra amin’izy io ankehitriny. Isan’izany Madame Njara ao amin’ny fikambanana fototra Soa Maniry ao Ambondromisotra distrikan’Ambatofinandrahana....

Ny fambolen-kazo maharitra dia miaro ny rano sy ny tany, mampihena hafanana, ary manome fiainana ho an'ny taranaka.  Misy ireo paik'ady tena ilaina : fisafidianana karazan-kazo mifanaraka amin'ny faritra, fanomanana zana-kazo, fanamboarana lavaka misy zezika natoraly, ary  tsy azo adinoina ny fanaraha-maso isam-bolana. Ny Bôndy amin'ny alalan'ny fiofanana sy fifampitokisana iarahany amin'ny Centre Arrupe dia manabe sy manentana amin'ny fambolen-kazo ho tombontso ho an'ny taranaka... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny fanovàna ny toe-tsaina dia fototry ny fahombiazana amin'ny lafiny maro. Izay hitan'ny maso no mandrafitra ny fo sy ny saina ary miainga amin'ireo ny hetsika manosika ny olona iray hanao zavatra. Ny fahitana fako miparika eny amin'ny arabe dia mikitika ny fisainan'ny olona mba handray andraikitra. Ny safidy sy ny talenta izay nomen'Andriamanitra ny tsirairay no mamaritra ny fivoarana na tsy ho an'ny olona iray... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...