Ny meningite dia fivontosan'ny meninge, dia ireo fonon-koditra manarona ny atidoha sy ny tsokan-damosina. Matetika dia viriosy na bakteria no mahatonga azy io. Anisan'ny soritr'aretina mahazatra ny tazo, ny fanaintainan'ny loha mafy, ny hamafin'ny hatoka, ary ny fahatsapana tsy mahazaka hazavana. Ny aretina meningite dia azo tsaboina ary indrindra azo sorohina. Ny viriosin'ny kitrotro dia mety hiakatra ka hiteraka ny meningite, torak'izany koa ny donika sy ny kantsetsitra... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Manao hetsika hanentanana ny vehivavy hiatrika ny fiatraikan’ny fiovan’ny toetr’andro ny ao amin’ny Fikambanan’ny Vehivavy hoan’ny kolotsaina sy ny fampandrosoana na ny AFCD. Fikambanana nijoro tany amin’ny taona 2016 saingy nohavaozina ny taona 2024. Nizara fahalalana hoan’ny mpanao gazety misehatra amin’ny tontolo iainana momba ny anjara andraikitry ny vehivavy manoloana ny amehana ara-toetr’andro eran-tany androany ny Fikambanan’ny Vehivavy hoan’ny kolotsaina sy ny fampandrosoana na ny AFCD. Tamin’ny alalan’ny Atrik’asa fifampizarana no nanehoana izany....
25 jolay no andro iraisam-pirenena hisorohana ny maty an-drano. Araka ny voalazan'ny OMS dia olona 236.000 isa eo ho eo no maty an-drano isan-taona. Anisan'ireo antony 10 lehibe mahatonga ny fahafatesan'ny olona 1 hatramin'ny 21 taona ny tranga maty an-drano. Betsaka ny ambana mety hahafaty an-drano eto Madagasikara: nosy voadidina ranomasina, betsaka toerana lalovan'ny renirano sy misy farihy na koa misy rano miandrona, faritra lalovan'ny rivodoza isan-taona ka mety ho tondra-drano... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagasikara.
Ny fanomezana hasina sy lanja ny tantara, ny tany ary ny teny dia manampy amin'ny fanavaozana satria mba miainga amin'ny zava-misy ny paik'adim-pampandrosoana. Ny fitiavana sy ny tontolony dia tsy afaka misaraka amin'ny olombelona, isika rahateo noharian'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fitiavana, ary indrindra nataony mitovy endrika aminy. Ny fitiavana dia fanoloran-tena, noho izany dia finiavana tsara hananan'ny tsirairay ny fifanajana sy ny fanajàna ary ny fifampatokisana. Misy endrika efatra ny fitiavana : Fitiavan'Andriamanitra, mpivady, mpianaka ary mpinamana... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Nanomboka omaly ny Fihaonamben'ny Pretra Diosezanina, any amin'ny Diosezin'Antsirabe. Pretra manodidina ny 1126 no miatrika izany… • Hifarana rahampitso 14 novambra 2026, ny fisoratana anarana ho an'ireo rehetra hiatrika ny famaranana ny fankalazana ny faha-800 taonan'ny Pakan'i Md François… • Nihaona tamin'ireo niharan'ny fanararaotana tao Lima, ny Papa Léon XIV…
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco