Ny olombelona dia tsy afaka miaina tsy misy fitiavana. Ao amin'ny fitiavana no miorina ny finoana, izay endrik'Andriamanitra ao amin'ny olombelona. Ny fifampiresahana, ny fifanankalozan-kevitra dia fototra mampanjary ny fifanakaikezana am-po ; mila mitandrina ny ray aman-dreny sy ny zanaka fa ny rivotra entin'ny teknôlôjia ankehitriny dia mahavita manozongozona ny fifampitokisana sy ny fifandraisan'ny fianakaviana. Ao anatin'ny teny dia misy hasina, tsara kokoa raha tso-drano am-bava no hafafy toy izay ozona... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny fiainana ao am-bohoko, ny zaza menavava, ary zazakely dia tandindon'ny fitohizan'aina. Ilàna fihomanana tsara ny fanohizan'aina : fahalalana ny tsingerin'ny fadimbolana, fahalalana ny fotoana mahalonaka, fahasalaman'ny mpivady. Tsara kokoa ny fitondrana vohoka raha arahi-maso eny amin'ny tobi-pahasalamanana fa manampy ny mpivady ny toro-hevitra ara-pahasalamana azo eny. Tsy tsara ho an'ny vehivavy mbola mbola tsy niteraka ny fampiasàna fandrindram-piterahana, indrindra ireo mihataka amin'ny ara-boajanahary... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Ny talata 7 avrily, andro iraisam-pirenena ho an'ny fahasalamana nisian'ny fanentanana ny olona rehetra hazoto amin'ny fitiliana ; ny 24 marsa moa no andro iraisam-pirenena hiadiana amin'ny "Raboka". Efa ela no nisy ny aretina "Raboka" ary efa misy ny vaksiny BCG (Bacille de Calmette et Guérin) hiarovana ny olona ; raha tsy vita ara-potoana ny fitsaboana dia mahafaty fa raha araka tsara ny fepetra fitsaboana dia azo antoka ny hasitrànana, ny fitsaboana dia maimaimpoana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Nilofo fatratra tamin'ny fiompiana kankana hamokarana zezika kankana ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny 20 taona mahery. Tsy mamihana samy irery ny voka-pikarohana ka nahitan'izy ireo tombontsoa hoy ny mpitarika, Ranaivoarison Basile (Papa Bio). Maro ny voka-tsoa azon'ireo mpikambana amin'ny fampiasana ny zezika kankana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...