Taloha dia manodidina ny folo ny zanaky ny mpivady iray, fa tamin'ny ankapobeiny ny reny no tena niankinan'ny fitaizana, nanampy tamin'ny izany anjara andraikitra izany ihany koa ireo zanaka efa lehibe. Ny zoky dia nanampy tamin'ny fitaizana ary io no antony nametrahan'ny maro "ny zoky dia ray aman-dreny". Mahay mifaly, mahay mionona ny zanaka tamin'ny fitaizana taloha, fa ny ankizy ankehitriny dia toa voavolavola handray izay efa nomanin'ny ray aman-dreny... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Efa mahay mandray fanapahan-kevitra amin’ny fampivoarana ny fidiram-bola any aminy ny fikambanan’ny tantsaha eto amintsika. Tsy mianona amin’ny lalam-pihariana nifotorany hatramin’izay fa mitady lalam-pihariana fanampiny. Isan’izany ny fikambanana Miara-Mizotra Boeny ao Ambatoboeny sy ny Soa Mitambatra Amoron’i Mania.

Ny sehatra fanehoan-kevitra dia fomba iray afahana mampandray anjara ny tanora, indrindra amin'ny fampandrosoana ny firenena. Ny 70% amin'ny mponina eto Madagasikara dia tanora ka azo lazaina ho singa lehibe afahana mampandroso firenena ny fanomezana sehatra azy ireo. Raha tsy omena sehatra ny tanora dia lasa mijanona ho mpitazana izy fa tsy ho mpandray anjara amin'ny fiainan'ny firenena, na ny momba ny tenany mivantana koa... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny tafika no nisantatra ny fanavaozana, nampitodika tamin'ny tantara nisy ny zava-mitranga ankehitriny, mampisy fanantenana ny fandraisan'andraikitry ny foloalindahy. Ilaina ny fahitsiana amin'ny asa aman'andraikitra tanan'ny tsirairay mba ho asa vita tsara sy andraikitra tontosa antsakany sy andavany. Tsara toerana koa ny "Dinam-piaraha-monim-pirenena" miohatra amin'ny Lalam-panorenena satria iry voalohany dia niainga teny ifotony ary mahakasika kokoa ny fiaraha-monina manontolo... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...