Ny aretin'aty dia tsy fahatanterahan'ny asan'ny aty, vokatry ny fihinanana menaka betsaka loatra. Misy sehon'aretina maro raha vao tsy tomombana ny asan'ny aty : malain-komana, mandoa, misy hafanana, tazovony, havizanana, areti-kibo... Misy fanafody mahasitrana tandrify ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo raha vao voatily ara-potoana... Misy tsiranoka mandeha mialohan'ny fahatongavan'ny fadimbolan'ny vehivavy... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny tsy fahadiovan'ny sakafo hoanintsika ka misy ilay kankana "cysticerque", izay mirefy 2 hatramin'ny 8 metatra, no miteraka ilay aretina "cysticercose". Rehefa tafiditra ao amin'ny vatana ny "cysticerque" dia mamonjy ny atidoha, ny maso sy ny taova na faritra hafa amin'ny vatana. Ny tay miparitaka sy ny fampiasana zezika avy amin'ny kisoa na ny loto mipetaka amin'ny sakafo na amin'ny alalan'ny tanàna no mampimparika ny "cysticercque"... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Mamelona fianakaviana maro eto Madagasikara ny seha-pihariana jono indrindra fa ny jono an-dranomasina saingy tandindomin-doza vokatry ny fanapotehana ny tontolo iainana indrindra fa ny doro tanety. Mamelona malagasy 1.500.000 isa io sehatra io. Ny 80% amin'ny vokatry ny jono dia avy amin'ny jono nentim-paharazana avokoa na an-dranomsina na an-dranomamy...

Tsikaritra manoloana ny zava-misy ankehitriny fa miaina fanamby maro ny fiaraha-monina malagasy ; misedra olana maro izay hita amin’ny ankapobeny fa efa miantraika mivantana amin’ny isam-batan’olona. Anisan’ny misongadina ao anatin’ireny ny olana mianjady amin’ny tontolo iainana, hita fa mihasimba hatrany ireo voahary ; ny tsy fandriam- pahahelemana mampitaraina ny ankamaroan’ny Malagasy. Etsy ankilany, raha ny eto an-drenivohitra manokana dia mampitaraina ny mponina ny fahatapahan-jiro sy rano lava reny. Ireny rehetra ireny dia misy fiantraikany amin’ny fahasalamana. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana vaomieran'ny fahasalamana, eo an'ivon-toerana Arrupe.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...