25 nôvambra — Teraka manodidina ny taona 290, tao amin'ny fianakaviana andriana tao Alexandrie (Egypte), i Catherine, ary tao ihany no nodimandry, ny taona 307. Vehivavhy naraini-tsaina tokoa izy, ka ny fahalalana norantoviny sy nananany dia nahafahany nilahatra tamin'ireo pôeta sy filôzôfa nalaza tamin'ny fotoan'androny.

24 nôvambra — Pretra tao Viêtnam i André Dũng-Lạc. Maty martiry tamin'ny 21 desambra 1839, niaraka tamin'ireo martiry namany izy. Marihana fa ireo namany ireo dia martiry teo anelanelan'ny taona 1745 hatramin'ny 1862. Martiry fito ambin'ny folo amby zato izy ireo no tsaroana amin'ity andro ity.

23 nôvambra — Teraka tao Rome i Masindahy Clément, niaina tamin'ny taonjato voalohany izy. Mpanan-karena, nahita fianarana, ary nafana fo tamin'ny fitadiavana ny marina, ka tao ami'ny fivavahana kristianina no nahazoany fahafaham-po tamin'izay nilain'ny sainy sy ny fanahiny.

22 nôvambra — Niaina tao Rome i Masimbavy Cécile tamin'ny fanombohan'ny taonjato fahatelo. Zanak'andriana manamboninahitra nalaza tamin'ny andro nanjakan'ny amperora Alexandre Sévère izy. I Cécile irery ihany no kristianina tao amin'ny fianakaviany. Nanokan-tena ho an'Andriamanitra izy, ary nitandro ny fahadiovan'ny vatany.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...