I Masindahy Odilon no tsaroana ny 04 janoary. Teraka ny taona 962 tao Saint-Cirgues (Haute-Loire) i Odilon. Tompomenakely tao Mercœur ao Auvergne ny fianakaviany ary nanana tany nanelanelana an'i Brioude sy Langeac. Nanomboka ny fiofanana ho Chanoine tao amin'ny fiangonan'i Masindahy Julien tao Brioude izy.

Tamin'ny taona 991 no nanintona an'i Odilon ny fiainan'i Mayeul, lehiben'ny fikambanana tao Cluny ka nanapa-kevitra ny hanara-dia an'i Mayeul izy ary nanampy azy tao ka tonga "coadjuteur". Rehefa maty i Mayeul, mpitantana fahefatra io trano fitokana-monina tao Cluny io tamin'ny taona 994 dia i Odilon no voafidy handimby azy.

Nandray anjara mavitrika tamin'ny fanavaozna tao Cluny izy, anisan'izany ny fiverenana amin'ny fitsipika entitra nomen'i Masindahy Benoît, ny fitondran-tena matotra, ny fanekena, ny fanajana ny voadin'ny fahantrana, ny fahadiovana ary ny fahambonian'ny fiainam-pivavahana sy ny fibanjinana.

Nanana finiavana sy zotom-po tsy azo laizina i Odilon. Fanta-daza izy tamin'ny fanehoam-pitiavana sy ny asa fiantrana tsy nahalalany sasatra. Noheverina ho toy ny Papa tao amin'ny fikambanan'ny Bénédictins mihitsy izy, ary nanana fifandraisana akaiky tamin'ny Papa sy ny Amperora. Ny taona 1006, raha niaina tao anatin'ny mosary ny vahoaka dia namidiny avokoa ny fananany mba hanampiana ireo mosarena ary niara-nangataka tamin'ireo mahantra izy. Izy no nandravina ny fifandirana nisy tamin'izany fotoana izany. Izy ihany koa no nampisy voalohany tao amin'ny fikambanana ny fahatsiarovana ireo mpino nodimandry isaky ny 02 novambra ka ny taona 998 no nankalazana izany voalohany.

Ny 14 septambra 1025 no nanorina ny trano Sainte-Croix tao Lavoûte-Chilhac izy. Nanatrika ny fametraha ny Amperora Concrad II i Odilon tamin'ny taona 1027. Ny taona 1031 dia nolaviny ny fanendrena azy ho arseveka tao Lyon.

Nametraka dindo sarotra kosehina sy mafonja tao amin'ny fikambanana tao Cluny ny fampianarana sy ny hevitra teôlôjika nentin'i Odilon. Nahatratra 70 ny isan'ny ankohonam-piainanan'ny fikambanana tao Cluny tamin'ny fotoana nahafatesan'i Odilon ny 31 janoary 1049. Tamin'io fotoana io no nanaovany fitsidihana tao Souvigny ary tao ihany izy no nalevina.

Ny hoe Odilon dia avy amin'ny fiteny germanique hoe "odo": harena sy "ilde": ady. Ireo Odilon dia tsy tia manasaro-javatra. mitady izay hampirindra sy hahasambatra ao amin'ny fianakaviana izy ka raha tsy mahatsapa an'izany dia lasa mikombona samirery ao anatiny ao. Marani-tsaina ireo Odilon saingy manana olana amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...