Ny 06 janoary no ankalazaina ny fisehoan'i Jesoa Zanak'Andriamanitra eo amin'izao tontolo izao, Ilay Mesia, Teny tonga nofo eo amin'izao tontolo izao novangian'ireo Majy antsoina koa hoe Epifania. Marihana fa noho ity daty ity andro fiasana no mahatonga ny firenena sasany hankalaza azy ny alahady faharoa aorian'ny Noely.

Antsoina ihany koa hoe "théophanie" ity fankalazana ity, izay midika hoe "fisehoan'Andriamanitra". Teo amin'ny kolontsaina grika ny hoe "épiphane" dia ireo andriamanitra miseho amin'ny olona toa an-dry Zeus, Athéna, Hermès sy Poséidon... Fa ho antsika kristianina kosa dia i Kristy Ilay Andriamanitra niseho teo amin'izao tontolo izao araka ny voalazan'i Masindahy Matio 2, 1. 2. 10-12 no ankalazaina eto. Niseho tamin'izao tontolo izao tamin'ny endriky ny zaza nateraka Andriamanitra. Miseho eo amin'ny tantara sy ny fotoana Izy dia teo amin'ny vahoaka Jody izany. Rehefa avy niseho tamin'ireo madinika Izy, ireo mpiandry ondry, dia naka toerana ihany koa ary niseho tamin'izao tontolo izao tao anatin'ny fahasamihafana izay soloin'ireo Majy tena. Ambara fa avy amin'ny firenena samy hafa izy ireo.

Ao amin'ny filazan'i Masindahy Matio dia tsy misy filazana mihitsy ny anaran'ireo Majy na ny isan'izy ireo fa ny tolotra izay miisa telo no ambara ao ka izay no nahatonga ny filazana fa telo ireo Majy tonga namangy an'i Jesoa. Tamin'ny taonjato faha-8 no nahitana ny dikan-teny latinina voalohany milaza ny anaran'ireo Majy ireo ary noheverina fa avy amin'ny lahatsoratra grika avy any Alexandrie tamin'ny taonjato faha-6 ity lahatsoratra nadika tamin'ny teny latinina ity. I Bède, ilay mpitoka-monina Anglisy teraka tamin'ny taonjato faha-7 tany ho any no nanome ny fiavian'ireo Majy ireo. Izao no voalazany, misolo tena ireo kaontinanta telo ireo Majy ireo dia i Azia, i Afrika ary i Eoraopa. Ambara ihany koa ny antsipirian'ny endriki'reo Majy ireo: ny voalohany dia i Melchior, lehilahy antitra fotsy hoditra, be volombava sy voloina, nitondra volamena izay famantarana ny maha-mpanjaka. Ny faharoa dia i Gaspar, tanora mena volon-koditra, nanolotra emboka manitra famantarana ny maha-Andriamanitra. Ary ny fahatelo dia i Balthazar, miendrika olond-dehibe be volombava mainty hoditra, nanolotra ny mira mampahatsiahy fa hanadalo fahafatesana ny Zanak'Olona.

Marihana fa nanomboka tamin'ny taonjato faha-12 no nankalazaina tao amin'ny Fiangonana ireo Majy mpanjaka ireo. Nisy "reliques" avy any Milan, nambara fa an'ireo Majy ireo, ary i Frédéric Barberousse no namindra azy tany Cologne, ary mbola voatahiry ao amin'ny Katedraly ao an-toerana io vata ambara fa misy ny "reliques" an'ireo Majy ireo.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...