07 desambra — Teraka ny 340 tao Trèves i Ambroise, taona nahafatesan'i Constantin II. Ambrosius no anaran'ny rainy, mpiasam-panjakana izy io, préfet du prétoire des Gaules. Teo amin'ny fahadimy amby roapolo taonany izy no lasa mpiasam-panjakana ambony, toa an-drainy ihany koa, tamin'ny fitantanana ny fanjakan'ny amperora tao Roma.
06 desambra — Teraka tao Patare, tananan'i Lycie tamin'ny taona 270 i Masindahy Nicolas. Fanta-daza tamin'ny fitiavam-bavaka ny ray aman-dreniny, ary tamin'ny fitalahoana am-bavaka no nahazoan'izy mivady ireo an'i Nicolas, satria tsy niteraka mihitsy izy ireo. Fa rehefa ela no nitalahoany tamin'ny Andriamanitra, dia nankatoaviny ny vavak'izy ireo.
05 desambra — Teraka ny 28 mey 1856 tao Lu Monferrato i Philippe Rinaldi. Teo amin'ny faha iraika amby roapolo taonany izy no tafaraka tamin'i Don Bosco. Rehefa nohamasinina ho pretra izy dia nomena andraikitra ho mpanabe ireo tanora miofana ho salezianina.
04 desambra — Jean Mansour no anaran'i Jean Damascène, niaina tamin'ny taonjato fahafito sy fahavalo izy io. Fianakaviana andriana sady kristianina no nipoirany, ary tany Damas, Syrie izy no teraka, ka izay no nahatonga ny fanampin'anarany hoe Damascène.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco