I Masindahy Édouard no tsaroana isaky ny 05 janoary. Teraka teo anelanelan'ny taona 1002 sy 1004 i Édouard. Ny taona 1003, rehefa nanafika an'i Angleterre ny Danois dia nentin'i Emma reniny nandositra i Édouard sy i Alfred rahalahiny, nialokaloka tany amin'i Richard II tao Normandie. Ny taona 1041 dia niverina tany Angleterre izy.

Ny 08 jona 1042, nodimandry i Knut ka izy no nandray ny fanjakana ary nomena ny satroboninahitra tao amin'ny Katedraly tao Winchester ny 03 aprily 1043. Marihana fa izy no mpanjaka tao Angleterre talohan'ny nandrombahan'i Guillaume le Conquérant ny fanjakana.

Nanamarika ny fanjakan'i Édouard ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana. Tamim-panentren-tena sy fahendrena azy fahaiazana no nanaovany ny fifanarahana sy ny fampihavanana. Rehefa tsy mahomby ny fanafihan'ireo Danois dia milamindamina ny fanjakany. Ny 23 janoary 1045 no nampakatra an'i Edith ho vady izy ka noho ny fitiavam-bavaka nananany dia nohajainy fatratra ho toy ny anabaviny io vadiny io.

Teo ihany koa ny fampanjakany ny rariny sy ny fitsimbinana ireo mahantra sy sahirana. Nony tany Londres sy Westminster izy ary tany no nanorina Katedraly ka fotoana vitsy taorian'ny fitokanana io fiangonana io izy no nodimandry ny 05 janoary 1066.

Ny teny hoe Édouard dia avy amin'ny fiteny germanique "ed": harena sy "warden": miandry. Olona tony, tsy dia be teny ary saro-kenatra ireo Édouard. Tia mikaroka zava-baovao amin'ny tany vaovao izy ireo ary mila miova hatrany. Tiany ny miaina ny toe-javatra tsy ampoizina. Miandrandra fahafahana sy fahaleovan-tena hatrany ireo hoe Édouard. Afaka miova toerana sy asa izy eo amin'ny fiainana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...