Talata 1 marsa 2022 — Herinandro fahavalo mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 28-31

Miezaka ny hamaha ireo karazam-patorana mangeja sy manandevo ny olombelona ny kristiana lahika. Miara-miasa amin'ireo olona tsara sitrapo izy mba hahafahany manangana tontolo ankakan'ny rariny, tontolo mendrika hiainana ary manaja ny voalika. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Alatsinainy 28 febroary 2022 — Herinandro fahavalo mandavantaona — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampihiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 17-27

Amin'ny alalan'ny fandraisana anjara amin'ny fiainan'izao tontolo izao no anehoan'ny kristiana lahika ny firotsahany, ka ny toe-tsain'ny Evanjely no iainany indrindra eo am-panatanterahana ireo adidy sy andraikitra. Mikatsaka ny Fanjakan'Andriamanitra ihany koa ny lahika. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

[Miara-dàlana] Zoma 26 septambra 2025

• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...