Alatsinainy 28 febroary 2022 — Herinandro fahavalo mandavantaona — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampihiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 17-27
"Ry mpampianatra tsara ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay ?", fanontanina mifono faniriana faratampony ho an’ny kristianina ity fanontaniana napetrak’ity lehilahy ity tamin’i Jesoa. Ary ny fanirian’Andriamanitra mantsy dia ny hasambatra ny olombelona rehetra. Ary efa nosoratan’Andriamanitra ao am-potsika tsirairay avy izany faniriana izany, ka rariny isika raha maniry isan’andro ny hahazo izany fiainan-tsambatra mandrakizay izany. Koa ny zavatra tokony hibahana ao anatin’ny fontsika dia ny faniriana hahazo ny fahasambarana maharitra mandrakizay. Mila manao ezaka hitandrina ny fampianaran’Andriamanitra anefa izany.
Marina fa ity lehilahy ity dia efa nitandrina lalàn’Andriamanitra fony hatramin’ny fahatanorany fa tsy mety mandry ny feon’ny fieritreretany, manahy mafy izy sao dia misy zavatra mbola tsy efany araka izay takian’Andriamanitra aminy. Vokatr’izany fiahiana ny fiainana mandrakizay izany dia nijery azy tamim-pitiavana i Jesoa ka niteny taminy hoe : “zavatra iray loha no tsy ampy aminao : mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao, ary rahefa izany dia avia hanaraka ahy.”
Mazava amintsika eto fa ny zavatra takian’i Jesoa voalohany dia ny fandavana tsy hifikitra amin’ny haren’ny tany ka ho vonona hahafoy ho an’ny hafa. I Jesoa rehefa miantso antsika dia ny fampianarana omenantsika voalohany indrindra dia ny fahavononana handà ny tenantsika, ny sitrapontsika sy izay rehetra mampirona ny fontsika ka mizara izany amin’ny hafa ary matoky ny fitantanan’i Jesoa amin’ny fo tokoa. Ka moa ve isika efa manara-dia, mbola miezaka mampitombo ny fitokisantsika azy sy miezaka mandray ny fampianarany am-piatiavana, izay asehotsika amin’ny alalan’ny fanampiana ny hafa ?