Talata 1 marsa 2022 — Herinandro fahavalo mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 28-31

"Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao." Nametra-panontanina mahakasika ny fiainany ireto mpianatra. Ary fanontanina tsotra maneho tanteraka ny maha olombelona nofo aman-drà. Anaisan’ny ahiahy mbola mahazo antsika krisitianina ankehitriny ihany koa ity ahiahy nahazo ny mpianatr’i Jesoa ity teo am-panarahan-dia azy. Isika ihany koa eo am-panantaterahana ny adidy masina izay ataontsika, izay adidy entina hanompona ny hafa, dia mipetraka ny ahiahy hoe inona re no mba ho anajaranay eto am-panantaterahana ity adidy masina ity ?

Amin’ny maha olobelona antsika dia mitady vokatra avy hatrany isika. Nefa eto i Jesoa dia mitarika ny saintsika handeha lavitra : "lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy ny tenany hanampina ny hafa ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin’ity fiainana ity ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy."

Te hampahatsiahy antsika i Jesoa androany, fa ny lovasoa tsara indrindra tokony andrasantsika dia ny fiainana mandrakizay. Ka eo am-piandrasana izany lovasoa tsara indrindra izany, dia tsy hoe voaozona hiaina ao anaty fahatrana fa tokony hiaina amin’ny fiainana antononiny maneho ny fahamendrehantsika feno, mendrika eo anatrehan’Andriamanitra isika tsirairay avy. Noho izany dia mangataha mandrakariva ny fahasoavan’Andriamanitra mba tsy ho ny harena sy filany no mameno ny fo amam-panahantsika fa ny fitiavana ilay Ray mpanome ka vonona ho tia Azy mandrakariva sy hitondra ny teniny ka afaka hanampy ny hafa amin’ny fahafoizan-tena feno fitiavana.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...