Amin'ny alalan'ny fijoroan'ireo relijiozy ho mpaminany no sehatra hanehoany ny fikatrohany. Mpaminany ny relijiozy satria natao hitondra ny Tenin'Andriamanitra eo amin'izao tontolo izao. Hoy Papa Fransoa "Mpitily ny olom-boatokanaeo anivon'ny fiangonana. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Alahady 20 febroary 2022 — Alahady fahafito mandavantaona — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 27-38
Mampianatra sy manamarina ary manamasina ny olon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny sakramenta ny Pretra. Ny pretra koa dia mitarika ny olon’Andriamanitra, mandray anjara amin’ny asa mpiandry ondry. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Loza ho an'ny soatoavina moraly maha-olona ny fampitsaharana vohoka. Ny kalitaon'ny aina dia tsy manan-danja mihoatra ny hasin'ny aina maha-olona.Tsy mampihena ny hasina maha-olona ny fiiban'ny kalitaon'ny aina. Noho izany, ny fahasembanana ny zaza ao am-bohoka dia tsy afaka manamarina velively ny fandatsahana ny ainy. Fandaharana momba ny hasin'ny aina iarahana amin'i P. Nicholson Avotriniaina, Doctorant en théologie morale, Université Pontificale Urbaniana
• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco