Zoma 4 marsa 2022 — Zoma manaraka ny lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 14-15
Fitandroana ny soa iombonana. Zavatra tsara ho an'olona no antsoina hoe "soa" eto, zavatra mampivelatra eo amin'ny fiainana. Zavatra mahavoafaoka ny maha-izy azy, manontolo, na ara-batana, na ara-panahy eny fa ny ara-tsaina ihany koa. Ny hetra haloa dia hofitsinjovana ny soa iombonana : hikarakarana ny fiainam-bahoaka. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Ry kristianina havana, tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny karemy isika amin’izao fotoana izao. Ny karemy raha faritana dia mipetraka amin’ny andry telo lehibe: ny vavaka,ny fifadian-kanina, ny asa fitiava-namana. Ny karemy ihany koa dia fotoana iray hanasana antsika hiaina lalindalina kokoa ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana, araka ny hafatry ny Papa François ho an’ny karemy tamin’ny taon-dasa.
Alakamisy 3 marsa 2022 — Alakamisy manaraka ny lavenona — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 22-25
• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco