Ry kristianina havana, tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny karemy isika amin’izao fotoana izao. Ny karemy raha faritana dia mipetraka amin’ny andry telo lehibe: ny vavaka,ny fifadian-kanina, ny asa fitiava-namana. Ny karemy ihany koa dia fotoana iray hanasana antsika hiaina lalindalina kokoa ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana, araka ny hafatry ny Papa François ho an’ny karemy tamin’ny taon-dasa.


Ny finoana no mampijoro antsika ho vavolombelona, hoy ny Ray masina. Ny fiainana ny tsy fahampiana sy ny fiafiana, hita taratra ao amin’ny fifadian-kanina, ny fanehoam-pitiavana ny hafa sy ny fiombonana amin’ny mahantra sy ny madinika amin’ny alalan’ny fanaovana asa soa, ary ny fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra ao anatin’ny vavaka dia mampiseho an’ilay finoana marina ananantsika, ilay fanantenana tonga nofo eo amin’ny fiainantsika ary ny fitiavana mampibaribary ny maha kristianina vavolombelona antsika.
Ny fanantenana : ny manakona ny masontsika tsy hahatazana ny fanantenana, hoy ny Ray masina, dia ireo zavatra ratsy rehetra mitranga hitantsika na mihatra amintsika mivantana mihitsy aza : ny herisetra, ny vono olona, ny tsy fandriam-pahalemana, ny rivo-doza sy izay rehetra afitsony, ny kolikoly, ny tsy fahamarinana, sns… Tokony hametra-panontaniana isika hoe : nahoana Andriamanitra no mbola mitahy sy mitsinjo ny zava-boary nohariny? Nahoana no mbola misy ny aina? Nahoana no mbola velon’aina kanefa matetika aho no tsy manaja ary manadino an’Andriamanitra? Izany rehetra izany no tokony hanosika antsika hamelombelona an’ilay fanantenana ao anatin’ny vavaka mangina ka mba endrika vaovao no entintsika mifanerasera amin’ny mpiara-belona amintsika, mitondra an’ilay tara-pahazavan’ny fanantenana hampisokatra ny mason’ireo izay ao anatin’ny haizin’ny famoizam-po, fahakiviana, sy fisaraham-bazana.
Ny fitiavana, ilay toetra fahatelo maneho ny finoana sy ny fanantenana. Satria ny tena fitiavana ho antsika kristianina dia : faly amin’ny fivoaran’ny hafa, ary ory manoloan’ny fahorian’ny hafa. Tsy mikombona amin’ny tena fa apostolin’ny fiombonana sy ny fifampizarana hatrany amin’ny toerana izay antsika. Ary na inona na inona ny toe-piainantsika, na ao anaty fahasahiranana na ao anaty fiafiana, dia misokatra ho an’ny rehetra hatrany ny fontsika. Koa miorena amin’ny finoana, manàna mandrakariva fanantenana, ary velomy sy kolokoloy ao anatin’ny fitiavana izany.

Aoka isika hivavaka…
Tompo Ray masina ô,
Ampianaro hitia sy haneho fitiavana tahaka an’ilay Zanakao lahitokana izahay, mba hitsinjovanay ny mpiara-belona aminay…
Atoroy anay ny lalana marina mba hahatonga anay ho vavolombelona, ka na inona na inona zavatra mitranga amin’ny fiainanay, dia tsy ho very izahay fa matoky ny fitsimbinanao.
Sokafy ny tananay hahay hizara izay anananay ho an’ireo mijaly sy mila vonjy, sokafy ny vavanay hahay hitory mandrakariva ny fanantenana ho an’ny malahelo, ary sokafy ny masonay tsy hikombona amin’ny tena fa hahay hijery ny hafa ary hampanjaka ny tena fitiavana marina nampianarin’ny Zanakao anay. Amen.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...