Tamin’izany andro izany, nony nivoaka handeha i Jesoa, dia nisy lehilahy nidodododo nandohalika teo anatrehany ka nanontany Azy hoe: "Ry Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?" ary hoy i Jesoa taminy: "Nahoana no ataonao hoe tsara Aho? Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery. Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga; aza mamono olona; aza mangalatra; aza mety ho vavolombelona tsy marina; aza manambaka; manajà ny rainao aman-dreninao." Dia hoy ny navaliny Azy: "Ry Mpampianatra ô, hatra ny fony kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany." Ary nijery azy i Jesoa, dia tia azy ka nanao taminy hoe: "Zavatra iray loha no tsy ampy aminao: mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao, ary rahefa izany dia avia hanaraka Ahy." Nampahory azy izany teny izany fa nanan-karena be izy, ka niala tamin’alahelo. Ary nijerijery nanodidina i Jesoa ka nanao tamin’ny mpianany hoe: "Akory ny hasarotry ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra!" Nony gaga tamin’izany teny izany ny mpianany, dia hoy indray i Jesoa taminy: "Sarotra, anaka, ny hidiran’izay miankina amin’ny harena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra." Vao mainka gaga izy ireo ka nifampilaza hoe: "Iza àry no mety ho voavonjy?" Fa nojeren’i Jesoa izy ka nilazany hoe: "Amin’ny olombelona, zava-tsy vitany izany; tsy mba toy izany amin’Andriamanitra, satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...