Alakamisy 6 aprily 2023 — Alakamisy Masina — Hariva — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, dia izao: Mifankatiava ianareo, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 1-15)
Misy fomba hanoherana manoloana ny lalàna na baiko. Raha mifanohitra amin'ny konsiansa dia tsy manatanteraka ; tsy voatery hanaiky rehefa tsy rariny mifanohitra amin'ny zo aman-kasin'ny olombelona. Ilaina ny fanajana ny vondron'olombelona tsy mitovy hevitra. Araka ny fandinihana ny hevitry ny mpanohitra no ahitana fifandraisana, ny eglizy no manitsy izay tsy mety. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alarobia 5 aprily 2023 — Alarobia Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 26, 14-25)
Manana zo hanohitra ny olona iray. Misy karazana 2 ny fanoherana dia ny fanoheran'ny tsirairay sy ny fanoheran'ny vondron'olona ; ohatra hoe mbola tsy vita ny fifidianana dia efa manohitr. Manana zo hanohitra amin'ny anaran'ny konsiasa na ny feon'ny heritreritra ny tsirairay. Ohatra : Rehefa mahakasika ny aina toy ny fanalan-jaza. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco