Alahady 2 aprily 2023 — Fahatsiarovana ny nidiran'i Jesoa tao Jerosalema — Fandinihana ny fijalian'i Kristy — Taona A — Ho antsika, dia nanolo-Tena i Kristy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Fijalian'i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 26, 14 — 27, 66)
Mitranga ho azy ny olana eo amin'ny fiaraha-monina vokatry ny fahatrana sy ny ady ary ny raharaha ara-politika, eo koa ny fanalalahana. Rehefa ao anaty fahantrana ny olona dia noana, tsy afaka miasa ka manaiky ny fizahozahoana sy ny fanararaotrana. Ny fiaraha-monina dia voajanahary ka mila miara-misalahy mba hitovy lenta ny be sy ny maro. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Sabotsy 1 aprily 2023 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 11, 45-56)
Mila ampitaina sy hanabeazana ny olom-pirenena ny ara-moraly (éthique) sy ny fanajana ny fananana iombonana (biens communs) satria mariky ny fandrosoan'ny maha olona izany. Fitiavana sy hitsim-po no tokony ho entin'ny olom-pirenena mikolokolo ny fitiavan-tanindrazana. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco