Alahady 2 aprily 2023 — Fahatsiarovana ny nidiran'i Jesoa tao Jerosalema — Fandinihana ny fijalian'i Kristy — Taona A — Ho antsika, dia nanolo-Tena i Kristy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Fijalian'i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 26, 14 — 27, 66)

Mampiditra antsika amin’ny Herinandro Masina ity alahadin’ny Sampankazo ity. Lava dia lava ny vakiteny norenesintsika teo fa misy hevitra vitsivitsy tsara hotadidiana.

Mampianatra antsika hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra i Jesoa Kristy. Tsy mora ny manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra satria matetika tsy mifanaraka amin’ny sitrapontsika izany. Làlam-panetre-tena no mila diavina fa tsy ilay làlan’ny fiamboniana feno voninahitra. Nasehon’i Jesoa Kristy tao amin’ny tanimbolin’ny oliva ny toe-po sy toe-tsaina eo am-pananterahana ny sitrapon’Andriamanitra : nahatsapa fahatahorana Izy teo am-panatonana ny fahafatesana, tena mila ny fanotronan’olombelona namany Izy amin’izany fotoan-tsarotra holalovany ; mahatsapa ny fanalaviran’Andriamanitra Ray Azy ihany koa.

Natorony antsika olombelona ihany koa ny fihetsika tokony hataontsika eo am-panatontosana ny sitrapon’Andriamanitra : nasehony tamintsika ny lanjan’ny vavaka sy ny fahazotoana hiambina lalandava eo amin’ny fiainana indrindra ao anatin’ny vanim-potoan’ny fisedrana toy izany. Tsy kely làlana mantsy ny Ratsy amin’ny fotoan-tsarotra toy izao, satria mitady izay hitarihana antsika hanalavitra ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra izy. Miompana indrindra amin’ny fahavonoana hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra ny vavaka ataon’i Jesoa Kristy.

Nasehony tamin’ny fihetsika ny fahavononany hanatona ny fahafatesany am-pitokiana sy am-panekena ny lahatry ny Ray. Nahalala ny vokatry ny fanarahana ny sitrapon’Andriamanitra i Jesoa Kristy, vokatr’izany tamin-kalalahana feno no nanatanterany an’izany.

Tsara ny mampahafantatra, eto am-pamarana, fa vokatry ny fitiavana ny hamonjy antsika olombelona ny fanatanterahan’i Jesoa Kristy ny sitrapon’ny Ray. Tsy ahitana fitiavan-tena akory izany. Manasa antsika rehetra mpanara-dia Azy ny hanao toy ny nataony izany fihetsika nasehony izany ; izany hoe asaina isika mba hanakambana ny fijaliana iaretantsika, na aretina mahazo antsika na karazan’olana sedraintsika amin’ny fijalian’i Kristy, ho lasa sorom-pamonjena ho an’ny tenantsika sy ho an’ny hafa ary ho an’izao tontolo izao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...