Alakamisy 6 aprily 2023 — Alakamisy Masina — Hariva — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, dia izao: Mifankatiava ianareo, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 1-15)

Miditra amin’ny fankalazana ny hateloana masina amin’ny fanomanana akaiky ny fetin’ny Paka, na fetin’ny fanavotan’Andriamanitra isika anio. Mampiditra antsika tsikelikely amin’ny fijalian’i Jesoa ny tantara eto : efa tapakevitra ny hanatanteraka ny fikasan-dratsiny i Jodasy Iskariota ary efa fantatr’i Jesoa Kristy rahateo ny hanjo Azy.

Tsy mitantara ny famoronana ny Eokaristia i Masindahy Joany, evanjelista eto fa nosoloiny ny fanasana ny tongotry ny mpianany izany. Mifono hevitra lalina mahakasika ny Eokaristia izany ; izany hoe famantaram-pitiavana ho antsika ny Eokaristia. Famantaram-pitiavana satria nasehon’ny Zanak’Andriamanitra fa tonga hanompo ny hafa no antom-pisiany sy asa nanirahan’Andriamanitra Azy.

Milaza ny fahaiza-mandray ny hafa ihany koa no ao ambadik’izao fanasana tongotra izao. Midika izany fa vonona ny nanolo-tena mihitsy ny Zanak’Andriamanitra fa tsy hoe akory niharan’ny fanenjehana fotsiny avy amin’ny lohandohan’ny mpisoroana sy i Jodasy Iskariota mpianany. Ampirisihiny haka tahaka Azy isika amin’ny fahaiza-mandray ny hafa sy amin’ny fahavonoana ny hanompo azy ireo.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...