Alarobia 5 aprily 2023 — Alarobia Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 26, 14-25)

Lazain’ny Evanjely eto ny fanomanan’i Jodasy Iskariota ny fomba hamadihana an’i Jesoa Mpampianatra azy. Nisy tetika efa nomanina niaraka tamin’ireo lohandohan’ny Mpisorona. Tao anatin’ny fahafahana feno no nanomanana an’ireo tetika maty paika ireo, fa ny mampalahelo anefa dia noho ny fitiavam-bola. Nihena noho izany ny finoany an’i Jesoa Kristy, ilay nifidy azy, fa lasa ny vola no nanjaka. Mila mitandrina isika kristianina amin’ny fifandraisana amin’ny vola sao hampihena ny finoantsika an’i Kristy, harena sarobidy ary mandrakizay eo amin’ny fiainana.

Ny zavatra mahagaga anefa, toa maneho fitiavana mandrakariva i Jesoa Kristy na dia eo ny fanomanana tetika ataon’i Jodasy mahakasika ny fisamborana azy. Ny fanomanana ilay sakafo alina farany miaraka amin’ireo mpianany no ahitana an’izany, satria ao amin’io sakafo io Izy no hanolo-tena ho sakafo maharitra mandrakizay. ary na ny teniny mivantana manambara sahady amin’izay hamadika azy aza toa manome “chance” an’i Jodasy, hiverin-dàlana amin’ny teti-dratsy efa nomaniny. Fanehoam-pitiavana toy inona izany nasehony izany. Toa mampianatra amintsika i Jesoa eto, fa na dia eo ny fanaratsiana, tsy manakana Azy tsy hanao ny soa efa natombony izany ary nasehony mivantana fa mila resena amin’ny tsara ny ratsy.

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...