Bokin’ny Mpitsara (Mpits. 2, 11-19)
Tamin’izany andro izany,
nanao ratsy teo imason’ny Tompo ny zanak’i Israely,
fa nanompo an’ireo Baala.
Nafoiny ny Tompo Andriamanitry ny razany,
izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta;
fa andriamani-kafa,
tamin’ireo andriamanitry ny firenena manodidina azy no narahiny,
sy niankohofany teo anatrehany,
ka nampahatezitra ny Tompo izy ireo.
Fa ny Tompo nilaozany, ary i Baala sy ny Astarte notompoiny.
Dia nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’ny Tompo
ka natolony ho eo an-tanan’ny fahavalony manodidina azy,
ary tsy nahatanty ny fahavalony intsony.
Izay nalehany namelezan’ny tanan’ny Tompo hampahory azy avokoa,
araka ny efa voalazan’ny Tompo,
araka ny nianianan’ny Tompo taminy rahateo
ka dia azon’ny fahoriana mafy be izy.
Nanangana mpitsara ihany ny Tompo hanafaka azy ireo tamin’izay nandroba azy;
nefa tsy nihaino izay mpitsarany akory izy;
fa nandeha nitolo-tena tamin’ny andriamani-kafa,
sy niankohoka teo anoloan’ireny.
Nalaky nivily izy tamin’ny lalana nomban’ny razany,
izay nitandrina ny didin’ny Tompo;
tsy nanao tahaka izany izy.
Nony nanangana mpitsara ho azy ireo ny Tompo,
dia nomban’ny Tompo izany mpitsara izany ka namonjy azy ireo
tamin’ny tanan’ny fahavalony,
tamin’ny andro rehetra iainan’ny mpitsara;
satria nalahelo ny Tompo noho ny fitarainany
teo anoloan’ireo nampahory sy nampijaly azy.
Rahefa maty anefa ny mpitsara dia nihasimba indray izy
mihoatra noho ny razany indray aza,
ka lasa nanaraka andriamani-kafa mba hanompo azy
sy hiankohoka eo anatrehany,
fa tsy niala amin’ny hadisoany amam-pikiribibiany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 105, 34-35. 36-37. 39-40. 43ab sy 44
Ireo olona voalazan’ny Tompo
dia tsy naringany velively.
Niharo tamin’ireo firenena izy,
sady nianatra ny fanaony.
Ny sampin’izy ireo notompoiny,
ka tonga fandrika ho azy.
Nosoroniny ho an-dolo
ny zanany lahy aman-janany vavy.
Voazimban’ny nataony izy ireo,
zary janga noho ny asany.
Koa nirehetan’ny haviniran’ny Tompo ny vahoakany,
tonga halany mainty ny lovany.
Matetika anefa nafahany ihany;
kanjo niasa nikomy sy nihombo hadisoana.
Kanjo hitany ny fahaporetany;
henony ny ferin’ny ainy.
Aleloia. Aleloia.
Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 16-22)
Indray andro,
nisy olona anankiray nanatona an’i Jesoa ka nilaza hoe:
“Ry Mpampianatra tsara ô,
inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?”
Dia hoy Izy namaly azy:
“Ahoana àry no iantsoanao Ahy hoe tsara?
Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra;
ka raha te-hiditra any amin’ny fiainana ianao,
tandremo ny didy.”
Dia hoy izy hoe:
“Didy inona avy?”
Dia hoy i Jesoa:
“Aza mamono olona,
aza mijangajanga,
aza mangalatra,
aza mety ho vavolombelona tsy marina,
manajà ny rainao aman-dreninao,
ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”
Dia hoy ilay tovolahy taminy:
“Hatra ny fony mbola kely aho
no efa nitandrina izany rehetra izany,
ka inona no mbola tsy ampy amiko?”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Raha tahìny tianao ny ho lavorary,
andeha amidio ny fanananao, ka omeo ny mahantra,
dia hanan-drakitra any an-danitra ianao;
ary rahefa izany, dia avia hanaraka Ahy.”
Nony nandre izany teny izany ilay zatovo,
dia niala tamin’alahelo,
satria be ny fananany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 56, 1. 6-7)
Izao no lazain’ny Tompo:
Tandremo ny hitsiny ary araho ny rariny,
fa efa akaiky ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako.
Ary ny hafa firenena izay mifikitra amin’ny Tompo:
mba hanompo Azy sy ho tia ny Anarany, ary ho mpanompony;
izay rehetra mitandrina ny sabata fa tsy mandika azy,
sy miraikitra mafy amin’ny fanekeko,
dia hoentiko ao an-tendrombohitro masina,
sy hampifaliako ao an-tranoko fivavahana,
hankasitrahina eo ambony ôtely ny sorony dorana aman-tsorony:
fa ny tranoko hatao hoe:
“Trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 66, 2-3. 5. 6 sy 8
Andriamanitra anie hiantra sy hitso-drano;
hampamiratiny amintsika anie ny Tavany:
ka ny herinao ho fantatra eran-tany,
ho hain’ny firenen-drehetra ny vonjinao!
Hifaly sy hihoby anie ny fokom-pirenena,
satria Ianao mitsara ny tany ara-drariny
mitsara ny vahoaka amim-pahamarinana,
mitondra ny fokom-pirenena eto an-tany.
Hidera Anao ny vahoaka, ry Andriamanitra,
hidera Anao anie ny vahoaka rehetra!
Andriamanitra anie hitahy antsika hatrany,
ny vazan-tany rehetra anie hatahotra Azy!
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm 11, 13-15. 29-32)
Aminareo Jentily havana no itenenako:
amin’ny maha-Apôstôlin’ny Jentily ahy,
dia manome voninahitra ny fandraharahana nomena ahy aho,
mba hahavelom-pialonana amin’ireo tapako,
sy hamonjy ny sasany amin’izy ireo, raha azo atao.
Raha ny fanariana azy àry no fampihavanana an’izao tontolo izao,
hanao ahoana kosa ny fandraisana azy:
tsy ho fitsanganan-ko velona va?
Satria tsy misy anenenany ny fanomezan-tsoa sy ny fiantsoan’Andriamanitra.
Fa ianareo fahiny mba tsy nanaiky an’Andriamanitra ihany,
nefa noho ny naneken’izy ireny dia nahazo famindram-po ankehitriny.
Toy izany koa izy ireny ankehitriny,
tsy manaiky an’Andriamanitra izy,
nefa noho ny famindram-po azonareo,
dia hahazo famindram-po toraka izany koa.
Fa samy nohidian’Andriamanitra tamin’ny tsy fanekena ny olona rehetra,
mba samy hamindrany fo avokoa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo: Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 21-28)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia nankany amin’ny faritanin’i Tira sy i Sidôna.
Ary indro nisy vehivavy Kananeanina anankiray nivoaka avy amin’izany tany izany,
niantsoantso mafy nanao hoe:
“Mamindrà fo amiko,
ry Tompo Zanak’i Davida,
fa ampijalian’ny demony mafy loatra ny zanako vavy”.
Fa tsy namaly azy i Jesoa na dia indraim-bava aza.
Dia nanatona niangavy taminy ny mpianany nanao hoe:
“Roahy izy, fa mikiakiaka manaraka antsika”.
Ary hoy ny navaliny azy:
“Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely Aho”.
Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany,
ary nanao hoe:
“Tompo ô, vonjeo aho!”
Nefa novaliany hoe:
“Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboa”.
Ary hoy ravehivavy:
“Marina izany, Tompoko,
nefa ny amboakely mba mihinana ny sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany”.
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Ravehivavy, lehibe ny finoanao,
aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao”.
Dia sitrana tamin’izany ora izany ihany ny zanany vavy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Jôsoe (Jôs. 24, 14-29)
Tamin’izany andro izany,
niteny tamin’ny vahoaka i Jôsoe nanao hoe:
“Matahora ny Tompo ary manompoa Azy amim-pahitsiana sy fahamarinana;
ario ny andriamanitra notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny ony sy tany Ejipta,
ka manompoa ny Tompo.
Raha tsy sitrakareo kosa ny hanompo ny Tompo
dia fidionareo anio izay tianareo hotompoina;
na ny Andriamanitra notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny ony;
na ny andriamanitry ny Amôreana izay onenanareo ny taniny.
Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo ny Tompo.”
Dia namaly ny vahoaka, ka nanao hoe:
“Lavitra anay izay handao ny Tompo ka hanompo andriamani-kafa.
Fa ny Tompo Andriamanitsika no nampiakatra antsika mbamin’ny razantsika
avy tany amin’ny tany Ejipta, amin’ny trano fanandevozana
ary nanao ireo fahagagana lehibe teo imasontsika,
ary niaro antsika tamin’ny lalana nalehantsika
sy tamin’ny firenena rehetra nandalovantsika.
Ny Tompo nandroaka ny vahoaka rehetra sy ny Amôreana nonina tamin’itý tany itý.
Izahay koa hanompo ny Tompo fa Andriamanitsika Izy.”
Dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka:
“Tsy mahatompo ny Tompo ianareo,
fa Izy dia Andriamanitra masina, Andriamanitra saro-piaro;
tsy hamela ny fahadisoana amam-pahotanareo.
Raha mahafoy ny Tompo ianareo, ka manompo andriamani-kafa
dia hifotitra Izy sy hampahory anareo ary handringana anareo
Izy izay efa nanao soa anareo.”
Fa hoy ny vahoaka tamin’i Jôsoe:
“Tsia, fa hanompo ny Tompo izahay.”
Ka hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka:
“Vavolombelona amin’ny tenanareo ianareo,
fa nifidy ny Tompo hotompoina.”
Hoy ny navaliny:
“Vavolombelon’izany izahay.”
— “Ario àry amin’izao ny andriamani-kafa eo aminareo,
ary avereno amin’ny Tompo Andriamanitr’i Israely ny fonareo.”
Ka hoy ny vahoaka tamin’i Jôsoe:
“Ny Tompo Andriamanitsika no ho tompoinay,
ary ny feony no hohenoinay.”
Nanao fanekena tamin’ny vahoaka i Jôsoe tamin’izany andro izany
ka nanome didy aman-dalàna azy ireo tao Sikema.
Nosoratan’i Jôsoe tamin’ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra ireo teny ireo.
Naka vato lehibe izy, ka natsangany teo ambanin’ny aoka,
teo amin’ny fitoerana voatokana ho an’ny Tompo.
Dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka rehetra:
“Indro itý vato itý no ho vavolombelona amintsika,
fa efa nandre ny teny rehetra nolazain’ny Tompo tamintsika io;
ho vavolombelona aminareo koa io,
mba tsy handavanareo ny Andriamanitrareo.”
Dia nampodian’i Jôsoe ny vahoaka samy ho any amin’ny lovany avy.
Nony afaka izany dia maty i Jôsoe, zanak’i Nona, mpanompon’ny Tompo,
tamin’ny fahafolo amby zaton’ny taonany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 15, 1-2a sy 5. 7-8. 11
Andriamanitra Tompo ô, ambeno f’Ianao re no hany ifefeko,
hasambarako tokana an-tany.
Ianao re, ry Tompo, no lova, hany zarako mandrakizay,
toeran-tsoa no natokana ho ahy.
Ka isaorako, Tompo, Ianao fa nanolotra saina, fanahy
sy nanoro ny foko hatrany.
Eo alohako foana ny Tompo; tsy hiala an-kavanako Izy;
ka isaorako mandrakizay!
E ny lalan’ny fiainana izao dia hatoronao ahy hatrany,
ka nameno hafaliana ny foko.
Ho finaritra mandrakizay, izay mitoetra eo ankavananao,
hasambarana tsy mety ritra.
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 13-15)
Tamin’izany andro izany,
nisy zazakely maromaro nentina teo amin’i Jesoa,
mba hametrahany tanana sy hivavahany ho azy;
fa noraran’ny mpianany mafy ireo.
Ka hoy i Jesoa taminy:
“Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy;
fa an’ny tahaka azy ny fanjakan’ny lanitra.”
Ary rahefa nametra-tanana tamin’izy ireo Izy,
dia nizo-dalana indray.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Jôsoe (Jôs. 24, 1-13)
Tamin’izany andro izany,
novorìn’i Jôsoe ny fokon’i Israely rehetra;
nantsoiny avokoa ny loholon’i Israely,
ny lehibeny, ny mpitsarany ary ny manamboninahiny;
ka niseho teo anatrehan’ny Tompo izy ireo:
dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka rehetra:
“Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely:
Taloha dia tany an-dafin’ny ony no nonenan’ny razanareo,
Teraha rain’i Abrahama sy rain’i Nakôra,
ary andriamani-kafa no notompoin’izy ireo.
Nalaiko tany an-dafin’ny ony i Abrahama razanareo
ary nentiko ho amin’ny tany Kanaana rehetra;
nampitomboiko taranaka, ary nomeko an’i Isaaka izy.
I Isaaka dia nomeko an’i Jakôba sy i Esao;
ary i Esao nomeko ny tendrombohitra Seïra ho fananany,
ary i Jakôba sy ny zanany nidina nankany Ejipta.Taorian’izany dia nirahiko i Môizy sy i Aarôna
ary nasiako i Ejipta araka izay nataoko teo afovoany;
ary rahefa izany, dia nentiko nivoaka ianareo.
Nentiko nivoaka avy tany Ejipta ny razanareo,
ka tonga teo amin’ny ranomasina ianareo.
Ny Ejipsianina an-kalesy sy an-tsoavaly nanenjika ny razanareo,
hatreo amin’ny ranomasina Mena.
Velon-taraina tamin’ny Tompo izy ireo,
ka nasian’ny Tompo haizina teo anelanelanareo sy ny Ejipsianina,
nakatony tamin’izy ireny ny ranomasina ka nanafotra azy,
ary ny masonareo no nahita izay nataoko tany Ejipta;
dia nitoetra ela tany an’efitra ianareo.
Nentiko ho any amin’ny tanin’ny Amôreanina
izay monina any an-dafin’i Jordany ianareo, ka niadian’ireny.
Natolotro teo an-tananareo izy, nahazo ny taniny ianareo,
ary naringako teo anoloanareo izy.
Nitsangana i Balàka, zanak’i Sefôra, mpanjakan’i Môaba,
ka niady tamin’i Israely;
nampiantso an’i Balaama zanak’i Beôra izy hanozona anareo.
Fa tsy nety nihaino an’i Balaama Aho, ka nitso-drano anareo izy,
dia voavonjiko tamin’ny tanan’i Balàka ianareo.
Nita an’i Jordany ianareo, dia tonga tao Jerikao;
niady taminareo ny mponina tao Jerikao,
ny Amôreanina, ny Farezeanina, ny Kananeanina, ny Hateanina,
ny Gergeseanina, ny Heveanina, ary ny Jebôseanina;
ka natolotro teo an-tananareo ireny.
Nalefako teo alohanareo ny fanenitra izay nandroaka an’ireny teo anoloanareo,
mbamin’ny mpanjaka roa tamin’ny Amôreanina:
tsy tamin-tsabatra aman-tsipikanareo no nahatanterahan’izany.
Nomeko tany tsy nasainareo ianareo sy tanàna tsy naorinareo, ary monina ao,
tanim-boaloboka aman’ôliva izay tsy nambolenareo,
ka mihinana ny vokany ianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 135, 1-3. 16-18. 21-22 sy 24
Isaory ny Tompo fa tsara!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Isaory ny Andriamanitry ny andriamanitra.
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Isaory ny Tompon’ny tompo!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nampizotra ny vahoakany tany an’efitra!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nikapoka Mpanjaka lehibe!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Sy nahafaty mpanjaka mahery!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ka nanome ny taniny ho lova!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ho lovan’i Israely mpanompony!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nisarika antsika tamin’ny mpampahory
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin’ny fahamarinana aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 3-12)
Tamin’izany andro izany,
nisy Farisianina nanatona an’i Jesoa mba haka fanahy Azy, ka nanao hoe:
“Mahazo misao-bady va ny lehilahy
na inona na inona antony?”
Dia hoy Izy namaly azy ireo:
“Tsy novakianareo va fa izay nahary ny olona tamin’ny voalohany,
dia nanao azy ho lahy sy vavy ary nilaza hoe:
‘Noho izany, dia hilaozan-dralehilahy ny rainy aman-dreniny
ka hikambana amin’ny vadiny izy,
ary ho nofo iray ihany izy roroa?’
Noho izany tsy roa intsony izy, fa nofo iray.
Ka aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’ny olona.”
Fa hoy ireo taminy:
“Ka nahoana àry i Môizy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy?”
Dia hoy Izy taminy:
“Ny hamafin’ny fonareo no nanomezan’i Môizy lalana anareo hisao-bady;
fa hatramin’ny voalohany dia tsy mba toy izany.
Koa dia lazaiko aminareo,
fa izay rehetra mandroaka ny vadiny,
afa-tsy noho ny fijangajangana ihany,
ka manambady hafa,
dia mpijangajanga ary izay mampakatra ny vehivavy voaroaka,
dia mpijangajanga koa.”
Hoy ny mpianany taminy:
“Raha izany no toetry ny lehilahy amin’ny vadiny,
dia aleo tsy manambady.”
Ary hoy Izy taminy:
“Tsy ny olona rehetra no mahazo izany teny izany,
fa izay nomena fahasoavana ihany.
Fa misy eonoka hatrany an-kibon-dreniny;
misy eonoka nataon’ny olona,
ary misy eonoka izay nanao ny tenany eonoka
noho ny fanjakan’ny lanitra.
Aoka handray izay mahay mandray.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco