Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 10, 32-39)

Niaritra ady mafy ianareo. Aza miala amin’ny fahasahianareo.

Ry kristianina havana, tsarovy ny andro fahiny,
niaretanareo ady mafy tamim-pijaliana,
nony efa nohazavaina ianareo;
fa mbetika nalam-baraka sy nampahoriana ianareo
sady naseho ho fizahan’ny olona;
mbetika kosa niaraka ory tamin’izay nampijaliana toy izany.
Fa sady nangoraka izay nifatotra ianareo
no nanaiky an-kafaliana ny fandrobana ny fanananareo,
satria fantatrareo fa manam-pananana tsara lavitra
sy maharitra mandrakizay ianareo.
Koa aza miala amin’ny fahasahianareo,
fa misy valiny lehibe izany.
Ilainareo tokoa ny faharetana,
mba hahazoanareo izay nampanantenaina anareo,
rahefa nanao ny sitra-pon’Andriamanitra ianareo.
Raha afaka kelikely foana, dia ho tonga Ilay ho avy,
fa tsy hiatoato Izy.
Ary ny oloko marina ho velona amin’ny finoana,
fa izay mihataka kosa tsy mba ankasitrahan’ny foko.
Raha isika, dia tsy mba anisan’izay mihataka ho very isika,
fa naman’ireo mino mba hamonjy ny fanahy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 36, 3-4. 5-6. 23-24. 39-40)

Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo.

Miantehera amin’ny Tompo; manaova ny tsara;
monena amin’ny tany; miraota amin-toky.
Eny, ny Tompo no iravoy:
dia homeny anao izay irin’ny fonao.

Ankino amin’ny Tompo ny lalanao;
miantehera aminy: fa Izy no hanao ny fanananao ny rariny ho mazava atsinanana;
ny fahamarinanao ho mitatao vovonana.

Eo anoloan’ny Tompo no amindran’ny olombelona:
izay amin’ny lalana tiany no ankahereziny.
Ka raha solafaka, tsy midaraboka,
fa tantazan’ny tanan’ny Tompo.

Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo:
fa Izy no mandany amin’ny andro fahoriana.
Ny Tompo mitahy sy manafaka azy,
manafaka azy amin’ny ratsy fanahy.
Eny, Izy no mamonjy azy noho izy ireo mifefy aminy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 26-34)

Mamafy voa ny mpamafy ary matory; ny voa mitsimoka sy mitombo nefa tsy fantany izay faniriny.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray
mamafy voa amin’ny tany,
ka izy matory sy mahatsiaro isan’alina sy isan’andro,
ary ny voa mitsimoka sy mitombo,
nefa tsy fantany izay faniriny;
fa mahavokatra ho azy ny tany,
ka tahony no voalohany, dia salohiny no manarakaraka,
vao ventim-bary amin’ny salohiny no farany.
Ary rahefa vokatra dia jinjaina miaraka amin’izay,
satria tonga ny taom-pijinjana.”

Ary hoy indray Izy:

“Amin’inona no hanoharantsika ny fanjakan’Andriamanitra,
ary fanoharana inona no hanehoantsika azy?
Tahaka ny voantsinapy izy,
izay kely indrindra amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany raha vao afafy,
fa tonga lehibe indrindra amin’ny anana rehetra kosa
rahefa voafafy sy mitombo,
ary mandrantsana vaventy
ka azon’ny voro-manidina ialofana ny alokalony.”

Dia fanoharana maro toy izany no nitoriany teny taminy,
araka izay takatry ny sain’izy ireo.
Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy,
fa nony mangingina vao nanambara tamin’ny mpianany
ny hevitr’ireo rehetra ireo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 10, 11-18)

Nandavorary mandrakizay ireo nohamasininy Izy.

Ny mpisorona rehetra dia mijoro isan’andro hanao ny raharahany,
sy manolotra matetika ireny sorona tsy nahafa-pahotana akory ireny;
fa i Jesoa Kristy kosa,
indray mandeha monja no nanolotra sorona noho ny ota,
dia mipetraka mandrakizay eo ankavanan’Andriamanitra;
ka hatramin’izao Izy,
dia miandry ny hanaovana ny fahavalony ho fitoeran-tongony rahatrizay.
Fanatitra iray monja
dia ampy handavorariany mandrakizay izay nohamasininy.
Ary asehon’ny Fanahy Masina amintsika koa izany;
fa rahefa voalazany hoe:

“Fanekena toy izao no hataoko
amin’ny fianakavian’i Israely
rahefa afaka izany andro izany”,

dia hoy indray ny Tompo:

“Halatsako ao an-tsainy ny lalàko,
ary hosoratako ao am-pony ka havelako ny hadisoany,
ary tsy ho tsaroako ny fahotany”;

ka rahefa voavela ny fahotana,
dia tsy ilaina intsony ny sorona noho ny ota.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 109, 1. 2. 3. 4)

Ianao mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkisedeka.

Tenin’ny Tompo amin’ny Tompoko:
Mipetraha ankavanako,
mandra-panaoko ny fahavalonao
ho fitoeran-tongotrao!

Ny tehinao mahery ahinjitry ny Tompo.
Avy ao Siôna, manjakà hatr’anivom-pahavalo

Fa Anao ny fiandrianana
hatramin’ny andro nahaterahanao.
Fa Izaho niteraka Anao teo am-Bohitra Masina;
toy ny mazava atsinanana miteraka ny ando.

Hoy ny fianianan’ny Tompo
ka tsy hanenenany:
Ianao Mpisorona mandrakizay
araka ny fanaon’i Melkisedeka.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy,
ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 1-20)

Niainga hamafy ny mpamafy.

Tamin’izany andro izany i Jesoa
nampianatra teo amoron-dranomasina
ka nisy vahoaka be nitangorona teo aminy,
Izy moa niakatra nipetraka teo an-tsambo kely
teo ambonin’ny ranomasina,
ny vahoaka rehetra kosa teny amoron-dranomasina.
Ary nampianatra azy zavatra maro tamin’ny fanoharana Izy
ka nilaza tamin’ny fampianarany hoe:

“Mihainoa: Indro niainga hamafy ny mpamafy,
ka nony namafy izy,
ny sasany latsaka teny amoron-dalana dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy.
Ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sy marivo nofo,
ka nitsimoka vetivety satria tsy nisy tany lalina,
fa nony niposaka ny masoandro,
sady nasian’ny hainandro izy no tsy latsapaka ka maina.
Ny sasany latsaka tany anaty tsilo,
ary nitombo ny tsilo ka nangeja azy, dia tsy namoa izy.
Ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara,
dia naniry sy nitombo, ary namoa,
ka ny sasany avo telopolo heny,
ny sasany avo enim-polo heny,
ny sasany avo zato heny.”

Ary hoy Izy:

“Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino.”

Nony efa nitokana Izy,
dia nanontany Azy ny amin’ny fanoharana ireo momba Azy
mbamin’ny roa ambin’ny folo lahy.
Ary hoy Izy taminy:

“Ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina
amin’ny fanjakan’Andriamanitra,
fa amindry zareo any ivelany kosa ny zavatra rehetra
dia natao amin’ny fanoharana
mba hahita maso izy fa tsy hahalala,
ary handre sofina fa tsy hahafantatra,
fandrao hibebaka izy ka havela ny helony.”

Dia hoy Izy:

“Tsy azonareo va izany fanoharana izany?
Koa hataonareo ahoana àry no fahalala ny fanoharana rehetra?
Ny mpamafy dia mamafy ny teny.
Ireto eo amoron-dalana dia ny olona izay amafazana ny teny;
fa raha vao nahare izy,
dia tonga i Satana ka manesotra ny teny voafafy tao am-pony.
Toy izany koa, ireo mandray ny voa amin’ny tany be vato
no izay vao mandre ny teny, dia mandray azy an-kafaliana;
nefa tsy miorim-paka ao anatiny izy,
ka tsy maharitra ela;
fa nony tonga ny fahoriana sy ny fanenjehana noho ny teny,
dia tafintohina miaraka amin’izay izy.
Ireto mandray ny voa ao anatin’ny tsilo
no izay mihaino ny teny fa ny fiahiana izao fiainana izao
sy ny fitaky ny harena mbamin’ny fanirian-javatra hafa,
dia miditra mamono ny teny, ka tonga tsy mamoa izy.
Ary ireo mandray ny voa amin’ny tany lonaka
no izay sady mihaino ny teny no mandray azy ka mamoa,
ny sasany avo telopolo heny, ny sasany enim-polo heny,
ary ny sasany zato heny.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 10, 1-10)

Inty aho tonga, hanao ny sitraponao Andriamanitra ô!

Ry kristianina havana,
ny Lalàna moa dia tsy misy afa-tsy aloky ny soa ho avy,
fa tsy ny tena endri-javatra,
ka ireny sorona tsy niova sy fanatitra isan-taona ireny
dia tsy nahalavorariany izay olona nanatona velively akory.
Raha tsy izany, tsy ho nitsahatra nanatitra va ny olona?
satria efa voadio indray mandeha ny mpanatitra,
dia tsy ho nahare intsony hoe nanota izy tamin’ny fieritreretany.
Nefa isan-taona dia nahatsiaro ny fahotany ihany ny olona
tamin’ireny sorona ireny,
satria aiza izay ran-janak’omby sy ran’osilahy
no hahafaka ny fahotana?
Noho izany indrindra,
nony niditra tamin’izao tontolo izao i Kristy
dia nanao hoe:

“Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra,
fa namboatra vatana ho Ahy Ianao;
tsy sitrakao ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota,
ka hoy Aho hoe: Intý aho tonga
— fa Izaho no voalaza ao amin’ny horonam-boky —
hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô!”

Voalohany aloha lazainy hoe:

Samy tsy nilainao sy tsy sitrakao
na ny fanatitra na ny sorona dorana,
na ny sorona noho ny ota,

— dia zavatra natolotra araka ny Lalàna avokoa ireny; —
manaraka izany tohiziny hoe:

Inty Aho tonga hanao ny sitraponao;

ka manafoana ny voalohany Izy amin’izany
mba hanorenany ny faharoa,
ary ny herin’izany sitrapo izany
no nanamasina antsika,
tamin’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny Vatany
indray mandeha monja.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 39, 2 sy 4ab. 7-8a. 10. 11)

Inty aho, Tompo, tonga hanao ny sitra-ponao.

Niandry aho ka niandry ny Tompo:
ka niondrehany, nohenoiny talaho,
ny vavako nasiany hira vao:
fiderana ny Andriamanitsika!

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra,
nosokafanao manko ny sofiko.
Tsia, tsy misy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana:
ka hoy aho hoe: Inty aho tamy!

Torìko ao am-Piangonam-be
ny fahamarinanao.
Fantatrao, ry Tompo:
tsy akomboko ny molotro.

Tsy afeniko ato anatiko ny fahamarinanao;
ambarako ny toetra mahatoky sy famonjenao;
tsy takonako amin’ny Fiangonam-be
ny hatsaram-po sy fahamarinanao! 

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy,
ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 31-35)

Izay manao ny sitra-pon’Andriamanitra no rahalahiko, anabaviko ary reniko.

Tamin’izany andro izany,
tonga ny renin’i Jesoa sy ny rahalahiny,
nijanona teo alatrano, ka naniraka nampiantso Azy.
Fa nisy olona maro nanodidina Azy,
dia nilazana Izy natao hoe:

“Indreo ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao,
mitady Anao.”

Fa novaliany hoe:

“Iza moa no reniko sy rahalahiko?”

Dia nijery izay nipetraka nanodidina Azy Izy
ka nanao hoe:

“Ireo no reniko sy rahalahiko;
fa na iza na iza manao ny sitrapon’Andriamanitra,
dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 9, 15. 24-28)

Nanolotra ny Tenany indray mandeha monja Izy mba hanala ny ota ary mba hiseho fanindroany ho an’ireo miandry Azy.

Ry kristianina havana,
i Kristy no Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao,
mba hahazoan’izay voaantso
ny lova mandrakizay nampanantenaina azy,
rahefa nisy fahafatesana hanalana ny fahotana
natao tamin’ny fanekena taloha.
Fa tsy mba fitoerana masina nataon-tanana
sy tandindon’ny tena izy fotsiny no nidiran’i Kristy,
fa tany an-danitra mihitsy,
mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra
ho antsika ankehitriny.
Ary tsy mba toy ny mpisorombe niditra isan-taona
tao amin’ny fitoerana masina
sy nitondra ran-javatra hafa Izy,
ka hoe hanolo-tena matetika;
raha izany dia ho nijaly matetika Izy
hatrizay nanaovana izao tontolo izao;
fa indray mandeha monja Izy no niseho
tamin’izao andro farany izao,
mba hamongotra ny fahotana
tamin’ny nanolorany ny tenany ho sorona.
Ary toy ny nandraiketana ny olona ho faty indray mandeha
sy hotsaraina rahefa afaka izany
no nanoloran’i Kristy ny Tenany indray mandeha koa
mba hanala ny fahotan’ny maro,
sy mbola hisehoany tsy amin’ota fanindroany
mba hamonjy izay miandry Azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 97, 1. 2-3ab. 3de-4. 5-6)

Ihirao hira vao ny Tompo fa nahavita zava-mahagaga.

Ihirao hira vao ny Tompo:
fa nahavita zava-mahagaga!
Namonjy Azy ny tanany havanana,
nanampy Azy ny sandriny masina.

Ny Tompo manambara ny famonjeny,
sy naneho ny fahamarinany tamin’ireo firenena!
Tsarovy, ry tranon’i Israely,
ny hatsaram-po sy fahamarinany!

Zahao, ry vazan-tany rehetra,
ny famonjen’ny Andriamanitray!
Mihobia ny Tompo, ry tany tontolo!
Mientàna, mihobia sy miantsà!

Miantsà ny Tompo amim-baliha,
amim-baliha sy hira fiantsana,
amin’antsiva sy feon’anjomara!
Mihobia anoloan’ny Tompo Mpanjaka!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao,
ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 22-30)

Ho rava ny herin’i Satana.

Tamin’izany andro izany, ny mpanora-dalàna
izay nidina avy tany Jerosalema kosa nanao hoe:

“Efa azon’i Belzeboba Izy,
ary ny filohan’ny demony no androahany ny demony.”

Nantsoin’i Jesoa izy ireo
ka nanaovany fanoharana hoe:

“Hataon’i Satana ahoana no fandroaka an’i Satana?
Raha misy fanjakana miady an-trano,
dia tsy haharitra izany fanjakana izany;
ary raha misy fianakaviana miady an-trano,
dia tsy haharitra izany fianakaviana izany:
koa raha mitsangan-kanohitra ny tenany àry i Satàna,
ka miady an-trano,
dia tsy maharitra izy fa rava ny heriny.
Tsy misy olona afa-miditra ao an-tranon’ny olo-mahery
sy mandroba ny entany,
raha tsy afatony aloha ilay mahery,
vao robainy ny ao an-tranony.
Lazaiko marina aminareo
fa hahazo famelan-keloka ihany ny zanak’olombelona
amin’ny fahotany rehetra, sy ny fitenenan-dratsy rehetra
izay itenenany ratsy an’Andriamanitra;
fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina
no tsy hahazo famelan-keloka na oviana na oviana,
fa manam-pahotana mandrakizay.
Satria hoy izy ireo hoe:
manana fanahy maloto Izy.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...