Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 6, 10-20

Io fanantenana natolotra io no tanantsika mova tsy vato fantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika.

Ry kristianina havana,
tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria!
ka hanadino ny asanareo,
sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany,
tamin’ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina.
Irinay haneho fahazotoana toy izany koa ianareo tsirairay avy
hitana ny fanantenanareo feno sy lavorary hatramin’ny farany,
mba tsy hiketraka ianareo,
fa hanahaka ireo mandova ny lova nampanantenaina
noho ny finoany sy ny faharetany.

Tamin’ny fampanantenana
nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama,
noho ny tsy fisian’ny lehibebe kokoa noho ny tenany,
dia nianiana tamin’ny tenany Izy.
Ka nanao hoe:

“Hosoaviko tokoa ianao sy hohamaroiko koa”;

ary nahazo ny nampanantena azy io Patriarka io,
satria niandry tamim-paharetana izy.
Fa ny lehibebe kokoa noho ny tenany
no ianianan’ny olona,
ary ny fianianana no ataony antoka
ka entiny manapaka ny fifandirana rehetra.
Koa mba hanehoan’Andriamanitra mazavazava kokoa
ny tsy fiovan’ny fikasany amin’ny mpandova ny fampanantenana
dia nohamafisiny tamin’ny fianianana izany,
mba ho zavatra roa tsy manam-piovana
sy tsy hain’Andriamanitra amitahana antsika
no hahazoantsika fanalana alahelo mahery;
fa efa mihazakazaka isika
hihazona ny fanantenana natolotra antsika.
Izy io moa no tanantsika mova tsy vato fantsiky ny aina
sady mafy no tsy mihetsika,
ary miditra any anatin’ny efitra lamba,
dia any amin’izay efa nidiran’i Jesoa
ho Mpialoha antsika,
rahefa natao Mpisorombe mandrakizay
araka ny fomban’i Melkisedeka.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 110, 1-2. 4-5. 9 sy 10d

Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy.

Izaho midera ny Tompo amin’ny foko tontolo
am-pivoarian’ny olo-marina sy am-piangonam-be.
Lehibe ny asan’ny Tompo,
mampisaina izay rehetra tia Azy.

Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy Izy.
Mangoraka sy antra ny Tompo.
Manome hanina ny matahotra Azy Izy,
fa mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay.

Nandefa fanavotana tamin’ny vahoakany Izy,
sy nanorina ny fanekeny ho mandrakizay.
Masina sy mahatahotra ny Anarany;
maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.

 

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa
fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 2, 23-28

Ny sabata no natao ho an’ny olona fa tsy ny olona no natao ho an’ny sabata.

Indray sabata,
raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa,
dia nioty salohim-bary teny am-pandehanana ny mpianany,
ka hoy ny Farisianina taminy:

“Jereo ange e,
nahoana izy ireo no manao ny tsy fanao amin’ny sabata?”

Fa hoy Izy taminy:

“Moa tsy novakinareo va izay nataon’i Davida
raha terin’ny hanoanana izy sy izay nanaraka azy?
Fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy
tamin’ny andron’i Abiatara lehiben’ny mpisorona,
ka nihinana ny mofo alahatra
izay tsy misy mahazo mihinana afa-tsy ny mpisorona ihany,
sady nomeny mbamin’ny mpanaraka azy koa.”

Dia hoy koa Izy taminy:

“Ny sabata no natao ho an’ny olona,
fa tsy ny olona no ho an’ny sabata.
Koa ny Zanak’Olona dia tompon’ny sabata aza.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 5, 1-10

Na dia Zanak’Andriamanitra aza Izy dia nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany.

Ry kristianina havana,
rahefa mety ho mpisorombe ka alaina amin’ny olona,
dia tendrena ho solon’ny olona
amin’ny fifampiraharahany amin’Andriamanitra,
mba hanolotra fanatitra sy sorona noho ny ota,
sady mahay miantra ny tsy mahalala sy ny mania izy,
satria na ny tenany aza,
mba voan’ny fahalemena ihany koa,
ka noho izany fahalemeny izany,
tsy maintsy manao sorona ho an’ny tenany,
toy ny ataony ho an’ny vahoaka ihany koa izy.
Ary tsy misy mahazo maka izany voninahitra izany ho an’ny tenany,
afa-tsy izay antsoin’Andriamanitra
tahaka an-dry Aarôna ihany.
Dia toy izany koa i Kristy,
fa tsy Izy no nanandra-tena ho mpisorombe,
fa Ilay nanao taminy hoe:

“Zanako Ianao,
Izaho no niteraka Anao androany”

sy nilaza tamin’ny teny hafa koa hoe:

“Ianao no mpisorona mandrakizay
araka ny fomban’i Melkisedeka.”

Tamin’ny andron’ny nofony,
nony nanolotra fivavahana sy fifonana
nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be
tamin’Ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana
sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra,
dia nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany,
na dia Zanaka aza;
ary ankehitriny efa tonga amin’izay fanaperana Izy,
ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay
ho an’izay manaiky Azy,
fa antsoin’Andriamanitra hoe:

Mpisorombe araka ny fomban’i Melkisedeka.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 109, 1. 2. 3. 4

Ianao dia Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkisedeka.

Tenin’ny Tompo amin’ny Tompoko:
“Mipetraha ankavanako,
mandra-panaoko ny fahavalonao
ho fitoeran-tongotrao!”

Ny tehinao mahery
ahinjitry ny Tompo:
Avy ao Siôna manjakà hatr’anivom-pahavalo.

Fa anao ny Fiandrianana
hatramin’ny andro nahaterahanao!
Fa Izaho niteraka Anao teo am-Bohitra Masina:
toy ny mazava atsinanana miteraka ny ando!

Hoy ny fianianan’ny Tompo
ka tsy hanenenany:
“Ianao Mpisorona mandrakizay
araka ny fanaon’i Melkisedeka!”

 

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 2, 18-22

Mbola eo aminy ny mpampakatra.

Tamin’izany andro izany:
fanaon’ny mpianatr’i Joany sy ny Farisianina ny mifady hanina,
ka nisy nanatona nanao taminy hoe:

“Nahoana ny mpianatr’i Joany
sy ny an’ny Farisianina no mifady hanina,
nefa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Moa mahazo mifady ny naman’ny mpampakatra
raha mbola eo aminy ny mpampakatra?
Raha mbola ao aminy koa ny mpampakatra,
dia tsy mahazo mifady izy;
fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala ao aminy,
ka amin’izany andro izany vao hifady izy.
Tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao;
fa raha izany dia handrovitra ny tonta ny vaovao ka hitatra ny rovitra.
Ary tsy misy olona manisy divay vaovao amin’ny siny hoditra tonta;
fa raha izany dia ho rovitry ny divay ny siny hoditra,
ka ho very foana ny divay mbamin’ny siny hoditra;
fa raha divay vaovao dia aoka ho ao anaty siny hoditra vaovao koa.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany 49, 3. 5-6

Hatsangako ho Fahazavan’ny firenena ianao, mba hitaran’ny famonjeko.

Tamin’izany andro izany, hoy ny Tompo tamiko:

“Mpanompoko ianao, ry Israely,
izay hataoko reharehako”.

Ary ankehitriny miteny ny Tompo,
Izay namorona ahy hatrany am-bohòka mba ho mpanompony,
hampody an’i Jakôba aminy indray,
ary mba ho tafakambana aminy indray i Israely.
— Ary mahazo voninahitra eo imason’ny Tompo aho,
ary Andriamanitro no heriko.
— Hoy Izy:

“Mbola zavatra kely foana ny maha-mpanompoko anao,
hanangana ny firenen’i Jakôba indray,
sy hampody ireo sisa voatahiry amin’i Israely;
fa hatsangako ho fahazavan’ny firenena ianao,
mba hitaran’ny famonjeko hatramin’ny faran’ny tany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 39, 2 sy 4ab. 7-8a. 8b-9. 10

Inty aho tamy, Tompo, mba hanao ny sitrakao.

Niandry ny Tompo aho ka niandry,
niondrika Izy, nihaino talaho,
hira vao no nataony teo am-bavako,
fiderana an’ilay Tompontsika.

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra:
ny sofiko manko nosokafanao.
Tsy misy ilainao mihitsy
izay sorona dorana sy fanonerana;

ka hoy aho hoe: Inty aho tamy.
Voasoratra ao amin’ny boky ny momba ahy:
ny manao ny sitrakao no mamiko;
ny lalànao, ry Tompo,
no ato am-poko.

Ny fahamarinanao, ry Tompo,
notorîko tamin’ny fiangonana;
ny molotro tsy nakomboko:
fantatrao tsara izany.

Vakiteny faharoa

Fiantombohan’ny taratasin’i Md Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty 1, 1-3

Ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo.

Izaho Paoly
voaantso ho Apôstôlin’i Jesoa Kristy
noho ny sitrapon’Andriamanitra,
sy i Sôstena rahalahy,
dia mamangy ny Eglizin’Andriamanitra any Kôrinty,
dia ireo mpino nohamasinina ao amin’i Jesoa Kristy,
olona voaantso sady masina mbamin’izay rehetra
miantso ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika,
na aiza na aiza misy azy:
ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana
avy amin’Andriamanitra Raintsika,
sy i Jesoa Kristy Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tonga Nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika,
ary amin’ny alalany, dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany 1, 29-34

Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’ny olona.

Tamin’izany andro izany,
dia nahita an’i Jesoa nanatona azy i Joany
ka nanao hoe:

“Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra,
indro Ilay manala ny fahotan’ny olona.
Izy no ilay nantsoiko hoe:

Misy lehilahy avy ao aoriako,
sy efa tonga eo alohako,
satria talohako Izy.
Ary izaho tsy nahalala Azy;
fa mba hampisehoana Azy amin’i Israely
no nahatongavako manao batemy amin’ny rano”.

Ary nilaza marina i Joany nanao hoe:

“Efa hitako ny Fanahy Masina
nidina avy any an-danitra toy ny voromahailala,
ka nitoetra teo amboniny.
Ary izaho tsy nahalala Azy,
fa Izay naniraka ahy hanao batemy amin’ny rano
no nilaza tamiko hoe:

‘Izay hitanao hidinan’ny Fanahy Masina’.

Ary nahita aho ka milaza marina
fa Izy no Zanak’Andriamanitra”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 4, 12-16

Aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana.

Ry kristianina havana,
velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra,
ka maranitra noho ny sabatra roa lela,
maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy,
ary ny famavàny sy ny tsoka aza;
fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Tsy misy zava-boaary miafina eo anatrehan’Andriamanitra,
fa mihanjahanja sy miharihary
eo imason’Izy hampamoaka antsika ny zavatra rehetra.
Koa noho isika manana Mpisorona lehibe
izay lasa namaky ny lanitra,
dia i Jesoa Zanak’Andriamanitra,
dia aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika.
Satria tsy Mpisorombe tsy mahalala mangoraka
ny fahalementsika no antsika;
fa efa nalaim-panahy tahaka antsika
tamin’ny zavatra rehetra Izy, afa-tsy ny fahotana.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana,
mba hahazoantsika famindram-po,
sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika
amin’ny andro ilantsika izany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 18, 8. 9. 10. 15

Ny teninao, Tompo, fanahy sy fiainana.

Ny lalàn’ny Tompo lavorary,
mamelombelona fanahy.
Ny didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry olon-tsotra.

Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy,
mahafaly ny fo.
Ny baikon’ny Tompo mazava,
manilo ny maso.

Ny tahotra ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay.
Ny fitsaran’ny Tompo fahamarinana
samy rariny avokoa.

Ho sitraka eo anoloanao anie
ny vetson’ny foko sy ny tenin’ny vavako,
ry Tompo vatolampiko,
ry ilay Mpanavotra ahy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 2, 13-17

Tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nivoaka ho any an-dranomasina,
ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra,
dia nampianatra azy Izy.
Raha nandalo Izy, dia nahita an’i Levi zanak’i Alfe
nipetraka tao amin’ny fandraisana hetra,
ka nanao taminy hoe:

“Andeha hanaraka Ahy.”

Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranon-dralehilahy io i Jesoa,
dia nisy poblikanina sy mpanota maro
niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany;
fa maro ireo, ary nanaraka Azy.
Nony nahita Azy niara-nihinana
tamin’ny poblikanina sy ny mpanota
ny mpanora-dalàna mbamin’ny Farisianina
dia nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Nahoana ny Mpampianatrareo
no miara-mihinana sy misotro
amin’ny poblikanina sy ny mpanota?”

Raha nahare izany i Jesoa,
dia nanao taminy hoe:

“Tsy ny finaritra no mila dokotera,
fa ny marary;
tsy tonga hiantso ny marina Aho,
fa ny mpanota.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 ôktôbra 2024

♦ Tontosa ny 13 ôktôbra 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, sy ny fametrahana azy ho eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'Ambatondrazaka azy... ♦ Ny sabotsy 19 ôktôbra 2024 no hanamarihana, any amin'ny Sanctuaire Ambiatibe, ny fankalazana ny faha-12 taona nanandratana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Ny tena harena dia ny tian'Andriamanitra, hoy ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...