Miavaka ity fankalazana ny tsingerin-taona niverenan'ny fahaleovan-tena taona 2020 ity, satria tanterahana anaty fihibohana. Vanim-potoana hieritreretana ny fanomezan-danja ny fitiavan-tanindrazana. Mora ny mitadidy sy mitantara ireo voarakitra tamin'ireo dingana maro nolalovan'ireo mpiray tanindrazana teo aloha, nahazoana manatanteraka izao fankalazana ny fitsingerenan'ny fiverenan'ny fahaleovan-tenam-pirenena izao. Raha mahatsiaro fa tena olom-pirenena marina ianao : fohazy ny afom-pitivan-tanindrazana.
Alatsinainy 29 jona 2020 — Masindahy Piera sy Paoly — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 13-19 — Ianao no Piera (vato), ary eo ambonin'izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin'ny afobe tsy haharesy azy.
Alahady 28 jona 2020 — Alahady faha-13 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 37-42 — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin'ny Anaran'ny Tompo. Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin'ny Avo indrindra.
Sabotsy 27 jona 2020 — Herinandro faha-12 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 5-17 — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao : Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco