Talata 23 febroary 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 7-15
♦ Nivoaka androany ihany ny didm-pitsarana momba ny raharaha nahavoarohirohy ilay mpisolovava, zanaka vavin'ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Tsy ara-drariny izao fanenjehana izao, hoy ny eo anivon'ny Holafitry ny mpisolovava eto Madagasikara... ♦ Nitondra fanazavana momba ity raharaha ity koa androany ny eo anivon'ny EMOREG. Nilaza izy ireo fa tsy misy idiran'ny resaka politika ny fisamborana io mpisolovava io ny faran'ny herinandro teo...
♦ Niakatra fampanoavana eny amin'ny Fitsarana eny Anosy ny zanaky ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa, ny antoandro teo... ♦ Samy namoaka fanambarana momba ny raharaha nahafatesana mpianatra tany Toamasina, ny Governemanta sy ny Fiadidian'ny Oniversiten'i Toamasina...
Ny psikolojia na ny dingam-pivoaran'ny toe-tsain'ny olona iray manaraka ny taoanay ka misongadina ny an'ny ankizy ao anatin'ny vanim-potoana ny fahamaotiana. Ny zaza dia hatramin'ny faha 12 taonany fa manomboka amin'ny faha 13 taona hatramin'ny 15 dia efa miroso amin'ny mahatanora azy, io ilay vanim-potoana fahamaotiana. Amin'io vanim-potoana io dia manahirana ny mitaiza ny ankizy : be famaliana, varimbariana...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco