Alarobia 24 febroary 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 29-32

♦ Nandaha-teny nandritra ilay fikaonan-doha iraisam-pirenena momba ny toe-karena aty afrika, andiany faha-20, ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina. Noresahany ny paik'adin'i Madagasikara sy ny fanarenana ataon'ny fitondrana... ♦ Afindra amin'ny Banky Foiben'i Madagasikara, amin'ny alalan'ilay vaomiera mpanara-maso ny banky sy ny fandraharahana ara-bola, ny fanaraha-maso ny sehatry ny fiantohana eto Madagasikara...

♦ Nisy indray ny habibiana amina resaka tsy fandriam-pahalemana. Olona 9 mianaka no voalaza fa nodoran'ny dahalo velona tao amin'ny trano fonenany tao amin'ny kaominina Mahasoa,Betroka... ♦ Mpiasan'ny CROUA eny Ankatso miisa 4 no voalaza fa noesorina amin'ny asany, noho ny fitakiana karama 2 volana... ♦ Hivory anio hariva ny komity mpanantanteraky ny federasiona malagasin'ny baolina kitra, handinika ny kianja handraisan'ny Barea an'i Niger...

♦ Sazy mihantona telo volana miampy lamandy 50.000 Ariary no azon'ny mpisolovava, zanaky ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa, momba ilay raharaha rongony nanenjehana azy... ♦ Nilaza omaly ny teo anivon'ny holafitry ny mpisolovava fa tsy ara-drariny ary tsy ara-dalana ny nanenjahana an'i Maître Francesca, momba izao raharaha izao ka nanambara ny tsy hipetra-potsiny izy ireo....

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...