Talata 26 janoary 2021 — Herinandro fahatelo mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 31-35

♦ Miankina amin'ny dinika iarahana amin'ny mpanohitra ny fanendrena izay ho solontenan'izy ireo eny Anosikely, hoy ny Filohan'ny Antenimierandoholona Razafimahefa Herimanana, androany... ♦ Efa manamafy ireo fepetra fisorohana ny Covid-19 avokoa ny fianarana sy ny fiangonana ankehitriny...

Miantso ny fitondrana hitady vahaolana maharitra amin'ny ady taoa amin'ny kere any atsimo ny FFKM, omaly nandritra ny famaranana ny herinandron'ny vavaka fiombonana ho an'ny kristianina, sy ny famindram-pitantanana teo anivon'ny FFKM. Mitaky ny hanazavan'ny Governemanta ny fitantanana ireo fanampiana tamin'ny valan'aretina Covid-19  ihany koa ny FFKM...

Ny hafatra dia manandanja kokoa amin'ny olona hitenenana na ny olona mandray ilay hafatra. Ny hafatra manokana ho an'ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra mpanabe momba ny fanabeazana sy ny  fampianarana amin''ity volana janoary ity : Mafana ny andro ka mila arahimaso ny fisotrona rano, ny akanjo sy ny fahasalaman'ny ankizy... 

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...