I Kristy no ivon'ny tantaram-pamonjena sy Mpamonjy tokana ; Izy no nanatanterakany Fampanantenana rehetra. Izay mino an'i Kristy no atao hoe Kristiana, tsy anarana entina fotsiny anefa izany fa toe-piainana mihitsy, tsy ankosotra fa mamolavola ny maha izy ny tena. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.

Alarobia 7 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Efa nataoko hoe Sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 1-7

♦ Hirosoana avy hatrany ny fitsarana ny taratasin'ireo mpiadina CEPE izay nahavita fanadinana androany ary ho hafainganina ny famoahana ny voka-panadinana, hoy ny Minisitra tompon'andraikitra... ♦ Tsy nisy ny aina nafoy momba ny fivoaran'ny Coronavirus. Valo ireo tranga vaovao voatily araka ny tatitra nivoaka androany...

♦ Taranja efatra no vita ho an'ny fanadinana CEPE manerana ny nosy ho an'ny tapany maraina teo... ♦ Hotanterahina amin'n alahady  ho avy izao ny Lamesa fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Gabriel Randrianantenaina, izay voatendry hitantana ny diôsezin'i Tsiroanomandidy... ♦ Nolavin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana ny fitoriana napetrak'i Fanirisoa Ernaivo teny amin'ny HCC, momba ny nambara fa hosoka tamin'ny fifidianana filoham-pirenena taona 2018...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...