♦ Mitohy ny hazalambo ireo dahalo, izay nanafika tany amin'ny Distrikan'i Midongy Atsimo. Hatreto dia an-jatony ny omby efa tafaverina, am-polony kosa ireo dahalo voasambotra... Fampitam-baovao avy amin'ny Antenimieram-pirenena, nanazava ny tsara ho fantatra mikasika ny tolo-dalana mifehy ny zom-pirenena malagasy...
Feno ala voajanahary nahitàna hazo malagasy maro teto amintsika, nanerana ny Nosy talohan'ny fanjanahantany. Rehefa tonga ireo vazaha dia namboly hazo vahiny izay haingam-paniry anefa tsy ahazoana tombontsoa akory. Ho fiarovana ny ala ary ho famerenena ho maitso ny nosintsika dia ilaina ny fambolena hazo malagasy sy sakafo ho an'ny biby "paturage", manao fiompiana mifefy "ferme bio", averina ny fifaninanana kaominina maitso. Ny hazo malagasy dia mahalonaka ny tany, mamelona loharano ary miaro ny tontolo iainana...
♦ Iray volana mahery mialohan'ny fanadinana CEPE sy BEPC, tomombana hatrany amin'ny 80% ny fanontana ny taratasim-panadinana eny amin'ny orinasa CNAPMAD... ♦ HIjery manokana an'ireo toeram-piantsonan'ny taxi-be mety mahatonga ny fitohanana be loatra ao an-drenivohitra ny kaominina Antananarivo... ♦ Tsy anjaran'ny fitondram-panjakàna no mamaritra izay olona ho lehiben'ny mpanohitra eto Madagasikara hoy ny antoko otrik'afo...
Ilaina fantarina ny toetra maha izay sy ny maha izy ny olona ho vadiana. (02-06-2021)
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco