Ny Aomonierian'ny Hôpitaly dia asam-pamonjena manakaiky am-pirahalahiana an'ireo mpiasa sy mpandraharaha rehetra ao anatinio sehatra io sy ireo marary tsaboina ao ary ny fianakaviany mba hampanatonana azy ireo akaiky kokoa ny Vaovao Mahafaly na ny Evanjely amin'ny fankaherezana sy fanohanana ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy...
♦ Nangataka fanazavana amin'ny OMS ny fitondram-panjakana malagasy, manoloana ny fanambarana nataon'ny Masoivoho frantsay eto Madagasikara sy ny tsy haneken'i Eorôpa ny vakisiny Covishield... ♦ Ny 65%-n'ireo vakisiny Covishield tonga teto Madagasikara no nampiasaina, tao aorian'ny fanaovam-bakisiny faobe izay nifarana omaly, raha ny tatitry ny teo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalam-bahoaka...
Ny fitiavana no hatsaram-panahy kristiana faratampony amin'ny fampianaran'i Kristy. Voafafa daholo ireo haratsiana rehetra maha olombelona rehefa ny fitiavana no iveloman'ny fianakaviana. Ny fitiavana marina no mamelona ny fihavanana tena izy. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria...
Zoma 18 jona 2021 — Herinandro faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 19-23
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco