♦ Hotontosaina ny alahady 11 jolay 2021 ny fanamasinana ho eveka an'i P. Gabriel Randrianantenaina, notendren'ny Papa François ho evekan'ny diôsezin'i Tsiroanomandidy... ♦ Hotanterahana ny sabotsy 3 jolay 2021 eny Soavimbahoaka amin'ny 10 ora maraina ny Sorona Masina fisaorana an'Andriamanitra sy fametrahana araka ny fomban'ny Fiangonana ny maha lehiben'ny Fikambanana Frères des Écoles Chrétiennes an'i Très Cher Frère Julien Ratsimbazafy...

Nanatsara ny famokarana zezika kankana nofotorany nandritra ny taona maro Andriamatoa Ranaivoarisoa Basile, fantatry ny maro amin'ny solon'anarana Papa Bio... 

Tamin’izany andro izany, indro nentin’ny olona teo amin’i Jesoa ity lehilahy anankiray sady moana no azon’ny demony. Ary nony voaroaka ny demony, dia niteny ilay moana ka gaga ny vahoaka sady nanao hoe: "Tsy mbola nisy toa izany tamin’i Israely." Fa ny Farisianina kosa nanao hoe: "Ny lehiben’ny demony no androahany ny demony." Ary i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin’ny sinagôgany sy nitory ny evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: "Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; koa mihantà amin’ny tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny."

♦ Hikatona amin'ity anio ity ny fivoriana ara-potoanan'ny Antenimiera mpanao lalana. Ho faranana amin'ny fametraham-panontanian'ny Solombavam-bahoaka amin'ireo Ministra izany, ho an'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Hanomboka amin'ny tapatapak'ity volana ity ny fitateram-bahoaka mampitohy an'Ivato - Tsarasaotra - Ankorondrano. Orinasam-pitaterana hanolotra tolo-draharaha raitra no hitrandraka izany zotra izany...

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...