♦ Feno 26 taona katroka androany ny naha-may ny Rovan'i Manjakamiadana. Mangingina ny hetsika fahatsiarovana izany ho an'ity tontolo andro ity... ♦ Tsy nilefitra amin'ny fitakiam-bola ataon'ireo klioba 16, izay mitokona tsy handray anjara amin'ny fifaninanam-pirenena Top20 ny FMR. Mandrangaranga sazy ho an'ireo klioba tsy hiatrika ampaha-valon-dalana... ♦ Mpandraharaha hatrany amin'ny 350 isa no hihaona eny amin'ny Motel Anosy ny 12 sy 13 novambra izao, fotoana hifampizaràna traik'efa taorian'ny fiofanana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...