Alahady 28 novambra 2021 — Alahady voalohan'ny amin'ny Fiavian'ny Tompo — Asehoy anay, ry Tompo ny famindram-ponao! ary omeo anay ny famonjena avy aminao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 25-28. 34-36

♦ Takian'ny banky iraisam-pirenena ny hameranan'i Madagasikara ny ampaham-bola tsy mazava ny fampiasana azy tamin'ny tetik'asa PAGOSE, 2,5 Miliara Ariary, haloa mialohan'ny 03 dsambra izao... ♦ Mitaky ny hanajàna ny lalàna amin'ny fanombohan'ny fanavaozana ny lisim-pifidianana ny KMF Cnoe... ♦ Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy  ny rano manondraka ny lemaka PC23, Distrika Amparafaravola. Vita ny toho-drano Sahabe, Velaran-tany 10 000 Ha ao amin'ny kaominina Ambodirano no hisitraka izany... 

♦ Tsy azo ekena intsony ny fisian'ny tsy maty manota. Handray fepetra hentitra ho an'ireo miaramila mandika lalàna ka mamafy herisetra eny anivon'ny fiaraha-monina ny ministeran'ny fiarovam-pirenena... ♦ Mitaky ny hanamafisana ny lalàna hiarovana ny zon'ny ankizy ireo solontenany isam-paritra, nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny ankizy... ♦ Miantso ny Loholon'i Madagasikara hihaino ny hevitry ny olom-pirenena tsotra ny vondron'ny fiaraha-monim-pirenena momba ny LFI 2022...

Misy fotoana, manana fahavononana ihany isika anefa tsy ampy risi-po, misalasala sady matahotra. Mazava ny tenin'i Jesoa : " rehefa mety ho mpitana angadin'omby miherika, dia tsy sahaza ny fanjakan'Andriamanitra. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...