♦ Natokan'ny fitondram-panjakàna ho andro fisaonam-pirenena ny rahampitso alakamisy ho fahatsiarovana ireo mpiray tanindrazana namoy ny ainy nandeha tamin'ilay sambo Francia rendrindra tany Soanierana-Ivongo... ♦ Maneho ny fiaraha-miory ho an'ny fitondram-panjakàna, ny faritra Analanjirofo, ny diôsezin'i Fenoarivo atsinanana ary ny fianakavian'ireo niaram-boina tamin'ity loza an-dranomasina ity ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Tetik'asa PAPRIZ naharesy lahatra ireo tantsaha...

"Hampitoviana endrika amin'i Kristy Mpisorona izy rehefa hohamasinina ho Pretra ka tokony hizatra ho sakaiza miraiki-po Aminy". Olon'ny vavaka ny Pretra koa tsy maintsy manana hafaliana amin'ireo karazam-bavaka ao amin'ny Eglizy, manomboka amin'ny Eokaristia Masina sy ireo endri-bavaka mifandraika amin'izany. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Alarobia 22 desambra 2021 — Herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Fahendrena izay mandahatra ny zavatra rehetra amin-kery sy amin-kalemem-panahy, avia mba hampianatra anay ny lalan’ny fahamarinana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 46-56

♦ Hanohy fitsaboana eto Antananarivo ny SEG sy ny mécanicien. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo olona roa hafa... ♦ Tafakatra 36 ireo mpandeha hita faty tao anatin'ilay sambo Francia, rendrika tany Antsiraka... ♦ Nametraka fanambaram-pananana teny amin'ny HCC ireo mpikambana ao amin'ny CENI, androany...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...