Herinandro voalohany amin'ny karemy. Fanamafisana ny vavaka sy ny finoana mba hanana faharetana amin'ny fihavaozam-panahy. Tohizantsika hatrany ilay fandinihana masina efa natombontsika hatramin’ny alarobian’ny lavenona teo. Ka amin’ity herinandro ity isika dia handalina bebe kokoa ny fibebahana sy izay fomba anehoantsika azy eo amin’ny finoana sy ny fivavahana. Iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangandrainy,Sdb

Ny fibebabahana moa araky ny fampianarana henontsika dia tsy inona fa ilay “fiovana eo amin’ny tondrozotram-piainana; fialana tamin’izay lalana ratsy teo aloha ary fandraisana an’Andriamanitra ho hany Tompo tokana sy i Jesoa Zanany ho Mpamonjy tokan’ny fiainanao. Efa nibebaka isika rehetra satria vita batemy, vita batisa, saingy tsy mibebaka marina ary tsy lavorary ilay fibebahana ataontsika.
Jereo anie fa i Madagasikara dia an’isan’ny firenena mpivavaka ary firenena betsaka kristianina ihany koa na inona na inona antokom-pivavahana misy antsika. Noho izany dia tokony ho isan’ireo firenena miadana sy milamina ary sambatra i Madagasikara satria manana olona matahotra sy tia an’Andriamanitra. Nefa tsy izany ny zava-misy iainantsika ankehitriny. Tsy hitanisa isika afa-tsy ny fahamarinana, ny rariny ary ny fanajana ny hasin’ny olombelona. Mampalahelo fa hita sy manjaka amin’ny seha-piainana rehetra ny halatra, ny vono olona ary indrindra moa ny kolikoly izay hita amin’ny sehatra rehetra toy ny: asam-panjakana, eo amin’ny sekoly sy ny fanabeazana, eo amin’ny Eglizy ary fa indrindra eo amin’ny raharaha politika. Tena manjaka ny kolikoly ary ny fanaovana kely tsy mba mamindro.
Ka izay dia midika fa fombafomba ety ivelany fotsiny ny fibebahana ataontsika ka ndeha àry izatsy izy! Antsoina ianao, isika ary izaho mba samy hibebaka marina ary aoka samy hiditra ao amin’ny feon’ny fieritreretana ka hanova tanteraka ny fomba famindra. Ka mialà amin’ny ratsy rehetra ka hiaina sy hampanjaka ny fahamarinana sy ny rariny fa izany no fibebahana ankasitrahin’ny Tompo.
Ry Andriamanitra Andriananahary Babanay o! nomenao izao fotoana tsara izao indray izahay sady iomananay amin’ny fetin’ny Paka no iomananay amin’ilay Paka mandrakizay; koa tohano amin’ny fahasoavanao ny ezaka fibebahana ataonay mba ho fibebahana marina ka hamokatra fahamarinana eo amin’ny fiarahamonina misy anay isanandro. Amen!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...