♦ Lasa aloha loatra ny fanomanan'ireo mpanao pôlitika ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena amin'ny taona 2023, hoy ny fijerin'ny ACP eo anivon'ny Fikambanana Zezoita... ♦ Amin'ity herinandro ity no voafaritra fa hihaona amin'ny mpitantana ny FMI sy ny Banky Iraisam-pirenena, any Washington, ny Filoham-pirenena Malagasy... ♦ Misy fahadisoan-kevitra ny fomba fitiliana ireo mpilalao eto an-toerana afaka handrafitra ny Barea Zandriny, raha ny fijerin'ny K2HB...
♦ Nakotroka ny fiatrehan'ny Malagasy ny fetin'ny Paka sy ny alatsinainin'ny Paka tamin'ity taona ity. Hita sy tsapa ny hetahetan'ny olona, te hiala voly tao aorian'ny roa taona nisian'ny fihibohana... ♦ Olona valo no natelin'ny rano, omaly alatsinainin'ny Paka. Ny enina nalentiky ny lakana mpitondra mpitsangatsangana tany Tatamarina Betafo ; nisy koa ireo nofaohon'ny ranomasina tany amin'ny Grand Pavois any Mahajanga... ♦ Manomboka misoko miadana indray ny valan'aretina entin'ny Covid-19. Nahitana tranga 32 vaovao indray ireo olona natao fitiliana hatramin'ny faran'ny herinandro teo...
Ny fanampiana dia tsy midika hoe : "misalovan andraikitra". Eto dia apetraka amin'ny toerany ny olona na vondrona tsirairay ary ankinina aminy hatrany ny zara asany. Ny vondrona rehetra eo amin'ny antanantohatra ambony dia tsy maintsy mivonona hitondra fanampiana, ho fanohanana, na ho fampandrosoana an'ireo vondrona ambaniny. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Talata 19 aprily 2022 — Talata amin'ny havaloanandron'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 11-18
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco