Talata 19 aprily 2022 — Talata amin'ny havaloanandron'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 11-18

I Masindahy Joany indray eto no manambara amintsika ny zava-niseho teo amin'ny fasana. Nitomany i Maria nahita ny zava-nitranga satria nihevitra fa nisy nangalatra ny fatin'i Jesoa ; fihetsik'olombelona fotsiny izao ny azy satria mpinamana tsy nifankafoy izy sy i Jesoa teny amin'ny fiainany. Koa na dia teo aza ireo Anjely roa izay mpitondra hafatra avy amin'Andriamanitra dia tsy noheveriny ho zava-misy ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hany ka i Kristy mihitsy no mandray an-tanana ho porofon'ny fitsanganany ho velona : "Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao ? Iza no tadiavinao ?", ary mbola nabaribariny tamin'ny fanononana mivantana ny anarany hoe : "Ry Maria !". Izay i Maria vao resy lahatra ka lasa nilaza tamin'ny mpianatra hoe : "Efa nahita ny Tompo aho !". Dia izay tokoa ve ilay teny hoe : "Tsy mino maty raha tsy avy mandevina" ? na koa : "Tsy mety ho resy lahatra raha tsy mahita mivantana" ? Satria ve hoe : "Aleo mahita toy izay hitantarana" ?

Betsaka tokoa isika kristianina ankehitriny, eny fa na dia ny mianiana mihitsy ho kristianina aza, no tsy mbola mahalala marina ny maha izy azy an'i Kristy na dia efa misy izao aza ny vavolombelona mitory azy eo amintsika. Izany no manaporofo fa sarotra ny mandresy lahatra amin'ity finoana ity, ny an'ny sasany aza moa dia ny hamonjy fety sy izay mahafinaritra azy no alehany any am-piangonana ka mahatonga ilay vazivazy zary tenany hoe "Pascal sy Pascaline na Noël sy Noëline" amin'ny vanim-potoana toy izao. I Kristy, isan'andro isan'andro no mandresy lahatra antsika ary miantso sy maniraka amin'ny anarantsika tsirairay avy, koa ahirato tahaka ny an'i Maria àry, ny masom-panahintsika ka hitodika any aminy, ary milazà hoe : "Ry Mpampianatra !" indrindra amin'izao Paka izao.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...