• Lasan'ny IRMAR ny toeran'ny filohan'ny mpanolontsainan'ny tanàna eo anivon'ny Kaominina Antananarivo renivohitra...
  • Fanapahan-kevitra pôlitika ny nampidinana ny vidin-tsolika fa tsy fampiharana ny vidiny tena marina, raha ny nambaran'ny filoha mpiara-mitantana ny Vovonana Firaisan-kina Siteny Randrianasoloniaiko...
  • Tsy fantatra na efa maty na mbola velona ireo olona efatra nalain'ny dahalo takalon'aina tany Bevandrana Ambohibarivolena ny 18 desambra...
  • Vonona hifampidinika amin'ny filoha Amerikanina Donald Trump amin'ny fikatsahana vahaolana hampitsaharana ny ady eo amin'i Ukraine sy Rosia ny filoha Rosianina Vladmir Poutine raha ny nambarany...

Ny fibebahan'i Masindahy Paoly no ankalazaina ny 25 janoary. I Masindahy Paoly dia Jody avy amin'ny fokon'i Benjamina. Teraka tao Tarse (Cilicie), nifanerasera tamin'ny Grika ary niaina tao anatin'ny fanjakana romana. Tsy nianatra afa-tsy haisoratra izy tao amin'ny sekoly tao Tarse. Avy eo nankany Jerosalema nandranto fianarana tao amin'ny sekolin'i Gamaliel.

Maro ireo andram-piainana sy traik'efa mikasika ny vavaka niainan'ireo zoky ara-pinoana : tao ireo nanana faharetana tamin'ny zavatra madinika, isan'ireny Masimbavy Thérèse d'Avila, Masindahy Jean de la Croix, ary Masindahy Jean Bosco. Ny vavaka dia mampandroso ary maha olom-banona, miasa ao amin'ny vavaka ataontsiksa Andriamanitra... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

  • Fanambin'ny ben'ny tanàna Harilala Ramanantsoa ny haha-môdely an'Antananarivo renivohitra, tontosa androany ny lanonana fametrahana azy tamin'ny fomba ôfisialy...
  • Nankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fadintseranana isika teto Madagasikara androany...
  • Misy andro ratsy miisa 2 miforona ao amin'ny fari-dranomasin'i Madagasikara, any amin'ny Canal de Mozambique sy any amin'ny Ranomasimbe Indianina...
  • Manentana ny tompon'andraikitra amin'ny sekoly fampianarana mamily fiarakodia mba hanabe ny mpianatra amin'ny fanajàna ny lalàn'ny fifamoivoizana ny Papa François...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...