♦ Feno 50 taona ny tolom-bahoaka tamin'ny 13 mey 1972, nitakiana ny hetaheta sy ny tombontsoam-bahoaka. Nosantarina omaly teny Analakely ny hetsika fahatsiarovana izany, hitohy amin'ny herinandro ho avy io... ♦ Mitaky ny hijerena ny tena marina, sy hampanjakàna ny rariny amin'ny fitoriany ny solombavambahoaka any Bekily, ireo mponina any an-toerana. Nanitsy ny voalazan'io olomboafidy io izy ireo fa manana lonilony aminy ny mponina noho ny olana ara-tany, ka saika nitifirana azy... ♦ Navoaka omaly ny lisitra mirakitra ireo mpilalaon'ny Barea hiatrika ny fifanintsanana CAN 2023, afaka tapa-bolana. Anisan'ireo mpilalao voaantso i Remy Vita, mpilalaon'ny Bayern de Munich...
Ny hoe : "natao hampiasain'ny daholobe" dia tsy midika fa azon'ny tsirairay na ny daholobe ampiasaina malalaka ny zava-drehetra. Na manan-jo hampiasa an'ireo harena ireo ny olon-drehetra raha vao teraka dia tsy azo lavina fa mba hahafahana mahazo antoka fa ho ar-drariny ny fampiharana an'izany zo izany dia ilaina ny hisian'ny fitsipi-pifehezana. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Sabotsy 14 mey 2022 — Masindahy Matthias, Apôstôly — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Mansindahy Joany 15, 9-17
♦ Dimampolo taona androany no nisian'ny tolona 13 mey 1972. Fitakian'ny mpianatry ny Oniversite, niafara tamin'ny hetsi-bahoaka. Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana no nanombohana ny fanamarihana ny faha-50 taonan'ny tolona 72, androany... ♦ Nifarana androany ny fifanakalozan-kevitra andiany faharoa teo amin'ny mpandraharaha amin'ny sehatra tsy miankina sy ny fitondram-panjakana. Samy vonona sy resy lahatra amin'ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara, izy ireo...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco