Tsy tokony tsinotsinoavina ny talenta satria arena nomen'Andriamanitra ; ny fanabeazana sy ny fampianarana no afahana mampisongadina azy ireny. Ny traik'efa dia miainga amin'ny fanabeazana ao an-tokantrano ary ireny no isan'ny risika manosika handray andraikitra. Mahatsara ny fifandraisana eo amin'ny zanaka sy ny ray aman-dreny ny fiarahana manao zavatra eo koa ny fifampiresahana... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

  • Tsy ho isan'ireo ben'ny tanàna vaovao handray ny fitantanana ny kaominina i Djavojozara Jean Luc Desiré na dia nandresy tamin'ny fifidianana aza ; efa voatendry sy vita ny famindram-pitantanana teo amin'ny PDS vaovao ao Antsiranana-I...
  • Mbola tsy tena zatra loatr an'ilay fiovaovan'ny vidin-tsolika ny mpanjifa. Ny voalohan'ny volana hatramin'ny fahadimin'ny volana no hisian'ny fanitsiana arakaraky ny zava-misy hoyny Ministry ny Angovo...
  • Misy hatrany ireo tambajotra manohy ny fitrandrahana ireo harem-pirenena arovana ho lany tamingana eto MAdagasikara...
  • Nanapa-kevitra ny hisitaka eo anivon'ny OMS ihany koa ny Filoha Argentin, Javier Milei...

06 febroary — Raha ny tena marina dia ireo martiry tao Japon no tsaroana amin'ity andro ity fa anisan'ny anarana misongadina indrindra amin'izany i Paul Miki. Pretra tao amin'ny Fikambanan'i Jesoa izy, nohenjehina ary novonoina teo amin'ny hazofijaliana. Ny 06 febroary 1597 izy no maty tany Japon.

Zava-dehibe ny fahatsorana sy fanetren-tena eo anoloan'Andriamanitra, izany no toe-panahy andrasana amintsika rehefa mivavaka. Tsy fisehosehoana velively ny antony handehanana any am-piangonana sy iaraha-mivavaka amin'ireo toeram-pivavahana fa ny hanompo an'Andriamanitra. Tsy mety ny miandranandrana sy mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra rehefa mivavaka... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...