♦ Tafapetraka androany teo anivon'ny Minisiteran'ny Fitsarana, ny taratasy fampahafantarana amin'ny hirosoan'ny sendikan'ny mpirakidraharaham-pitsarana ao anatin'ny fitokonana, afaka telo andro. Nisy ny pi-maso nataon'ny Sekretera Jeneralin'ny Ministeran'ny Fitsarana azy ireo androany... ♦ Tsy tomombana araka ny tokony ho izy ny fanombohan'ny fanisana mpifidy, izay sahanin'ireo olona noraisin'ny CENI, hoy ny fikambana KMF CNOE... ♦ Mpanofa trano avokoa ny 50%-n'ireo Malagasy monina an-tanandehibe eto Madagasikara...

♦ Efa nivoaka ho boky ny angon-kevitra natao nandritra ny fanomanana ny Sinaodin'ny Eveka, hatao amin'ny taona 2023, ho antsika eto Madagasikara... ♦ Notokanana omaly ny Seminera Zokiny misy ny Filôzôfia, iraisan'ny Arsidiôsezy Atsinanana, ka ao Analamalotra ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina no misy azy... ♦ Nôvisy roa ambin'ny folo mirahalahy no niroso nanao ny voady voalohany ao amin'ny fikambanan-drelijiozy Karma...

♦ Hatao ao anatin'ny fampanjakàna ny mangarahara sy ny fampandraisana anjara ny rehetra ny hetsika sy ny asa rehetra atao amin'ny fanavaozana ny olom-pirenena manan-jo ao anatin'ny lisitry ny mpifidy... ♦ Lalam-pirenena miisa 11 no hamboarina amin'ity taona ity, vola 100 tapitrisa dolara no hamatsian'ny Banky iraisam-pirenena izany... ♦ Mitontongana efa tafidina ambanin'ny 4000 Ariary ny sandan'ny Euro ankehitriny, raha efa nananontanona ny 5000 Ariary izany volana maromaro teo aloha. Isan'ny mahatonga izany ny fiantraika ara-toe-karen'ny ady any Ukraine...

♦ Napetraka omaly tany Toamasina, ny vato fototry ny Hôpitaly katôlika eto Madagasikara. Notokanana ihany koa  ny grand séminaire filôzôfia Md François de Salle Analamalotra... ♦ Miantso ny malagasy feno taon tsy very zo ny filohan'ny CENI mba hampiantrano ireo mpanisa mpifidy, ampahalavorary ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana eto Madagasikara... ♦ Marihina anio alatsinainy 3 ôktôbra 2022 ny andro maneran-tany ho an'ny toeram-ponenana... ♦ Tany indonezia, farafahakeliny olona 125 isa no namoy ny ainy, vokatry ny hetsika savorovorom-bahoaka, nandritra ny lalao baolina kitra natao tamin'ny sabotsy hariva...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...