Alahady 20 nôvambra 2022 — I Kristy Mpanjakan'izao tontolo izao — Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo; hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 23, 35-43

Mamarana ny Alahady amin’ny taona litorjika ny Eglizy anio izay hankalazana indrindra an'i Jesoa Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao. Ny Evanjely anefa dia mitantara ny namantsihana Azy teo ambonin’ny Hazofijaliana. Eto isika dia mahita an'i Jesoa izay nofantsihana teo amin’ny Hazofijaliana, eo anelanelan’ny jiolahy roa. Inona àry no maha mpanjaka an'i Kristy amin’izany ? Ary amin’ny fomba ahoana no hanavotany antsika ?

Voalazan’ny Evanjely àry fa teo amin’io Hazofijaliana io no nanavotany ny iray tamin’ireo jiolahy, tsy voaavotra tamin’ny fahafatesana teto an-tany fa avotra kosa tamin’ny fahafatesana mandrakizay, satria voavonjy ny andron’iny ihany, rehefa nampanantenainy ny paradisa. Midika izany fa tsy eto amin’izao tontolo izao ny fanjakany fa fanjakana afaka hidirana amin’ny alalan’ny fibebahana. Fanjakana izay teraka tamin’ny alalan’ny Rà sy rano izay nalatsany teo ambonin’ny Hazofijaliana. Fanjakana izay handovantsika ny fiainana mandrakizay. Izy tokoa no Mpanjakan’ny Fitiavana sy ny Fiadanana. Tsy ilay jiolahy nivalo ihany araka izany no novonjeny teo ambonin’ny Hazofijaliana, fa ny olombelona rehetra mihitsy. I Kristy àry no Mpanjaka, izay nahafoy ny ainy ho fanavotana antsika. Tsy tonga ny mba ho hotompoina tokoa fa hanompo.

Manentana antsika àry i Jesoa mba hanaraka ny Lalany : tsy ho any amin’ny voninahitra fa ho any amin’ny fanetren-tena sy fanompoana. Ireo tokoa mantsy no lalana hidirantsika any amin’ny Fanjakany.

Tompo ô, Mpanjaka tsy manam-petra Ianao sy Mpanjaka tokana hany Mpamonjy an’izao tontolo izao . Ho anao irery anie ny voninahitra amin’ny taona rehetra mandrakizay.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...