Alatsinainy 31 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao! Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 12-14

Adidy ifarimbonan’ny Lahika sy ny Pretra, izay samy eo ambany fiahian’ny Eveka, ny fitondrana ny Vahoakan’Andriamanitra isaky ny Paroasy sy ny Distrika, izay mivondrona ho Diosezy. Koa rariny sy hitsiny raha takina amin’ireo Pretra tompom-paritany sy ny Curé rehetra ny atao hoe fahaiza-mitondra ny Kristianina izay iadidiany na ankinina aminy, sy ny fahaiza-mitantana ny fananan’ny Fiangonana.

30 ôktôbra — Bienvenue Bojani no anaran'ity olontsambatra ity. Teraka ny taona 1255 tao Savogna di Cividale, Frioul tao Italie i Bienvenue. Mbola kely izy dia efa nanana fitiavana sy fanajana manokana an'i Masina Maria Virjiny.

Ny vondron'olona ihany koa dia tokony hiaina ao anatin'ny fahaizana mandanjalanja. Ilaina toe-po sy toe-piainana izany ka isan'ireny : finoana sy fiainam-bavaka, faharesen-dahatra, fahavononana hifandray amin'ny hafa. Ireto no dingana tokony harahina : famelomana ny vondron'nyy fiainam-pinoana amin'ny vavaka, mametraka ny fahaiza-mihaino ny hafa... Katesizy momba ny fanomezam-pahasoavana fahaizana mandanjalanja, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...