20 desambra — Miaramila niaina tany amn'ny taonjato fahatelo ity ankalazaina androany ity. Araka ny fitantaran'i Masindahy Denys d'Alexandrie dia niaro kristianina iray nomelohina ho faty i Masindahy Théophile, ary ny fijoroany amin'ny maha kristianina azy no nanavotra io lehilahy io.

Toa izao ny fizotran'ny tantara. Nisy lehilahy mahantra iray, natolotra ny fitsarana satria kristianina. Nampijaliana izy io, ka rehefa mafy sy nihatra aman'aina ny fampijaliana dia saika handà ny finoana ralehilahy. Kanjo, tonga tampoka ireto miaramila, dia i Théophile sy ireo namany hafa toa an-dry Zénon, Ingène sy Ammon ary Ptolémée. I Théophile dia lava ranjanana mandindona be rahateo, nankahery ilay lehilahy izy mba tsy handà ny finoana, ka hoy ilay mpitsara tamin'i Théophile hoe : "Ianao koa angaha kristianina ?" Eny, kristianina aho, hoy i Théophile, ary niara-niteny tamin'ilay mpitsara tamin'ny feo mandrahona izy dimy mirahalahy ireto nanamafy ny maha kristianina azy ireo. "Ataovy ihany koa ny fitsarana ahy sy ireto kristianina namako ireto", hoy i Théophile, ary tsy nihambahamba izy ireo nanatona ny fitsarana. Natahotra ireo mpitsara, ka mba tsy hisian'ny olana dia natsahany teo ny fitsarana, ka niara-nivoaka ny trano fitsarana i Théophile sy ireo miaramila namany ary ilay lehilahy saika nomelohina ho faty. Najanon'i Masindahy Denys d'Alexandrie teo ny fitantarana ny tantaram-piainan'i Masindahy Théophile, ka asa na maty martiry i Théophile na nodimandry am-piadanana teo am-pandriany, tranga samy nety ho nisy izany tamin'izany fotoana izany. Marihana fa ny taona 251 no voalaza fa nodimandry i Masindahy Théophile.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...